إعدادات العرض
Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana
Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana"
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî Русский Tiếng Việt Kiswahili অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska Oromoo Македонски ไทย Українська తెలుగు پښتو मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Ny Mpaminany (S.A.W) dia namporisika ny ihinana sahoor, izany dia fihinana amin'ny faran'ny alina ho fanomanana ny fifehezana. Satria misy fahasoavana lehibe ao, toy ny valisoa sy tambiny, ary ny fitsanganana amin’ny faran’ny alina hivavaka, mampatanjaka mandritra ny fifehezana, fahazotoana amin’izany, ary manena ny fahasahiranana.فوائد الحديث
Tsara ny mihina sohoor sy manaraka ny didin'ny lalàna amin'ny fanaovana izany.
Hoy I Ibn Hajar ao amin'ny Fath al-Bari : Ny fahasoavana amin'ny Sohoor dia tonga amin'ny fomba maro, dia ny fanarahana ny Sonnah, ny tsy fitovizana amin'ny olon'ny Boky, ny fanamafisana ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'izany, ny fampitomboana ny asa, ny fiarovana amin'ny fitondran-tena ratsy ateraky ny hanoanana, ary ny fanomezana fiantrana ho an’izay mangataka amin’izany fotoana izany na miara-misakafo aminy, fahatsiarovana sy fitalahoana amin’ny fotoana iandrasana ny valiny, ary manitsy ny fikasana hifady hanina ho an’izay manao an-tsirambina alohan’ny hatoriana.
Ny fampianarana tsara azo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) satria izy no manambatra ny didy sy ny fahendrena. Mba hanazava ny fo, ary mahafantatra ny fahambonian'ny lalàna.
Hoy I Ibn Hajar : Ny Sohoor dia azo amin'ny sakafo sy zava-pisotro faran'izay kely indrindra.
التصنيفات
Ireo fifehezana an-tsitrapo