إعدادات العرض
Ireo mpaminany no nitondra ny Zanak'Isiraely, ka raha maty mpaminany iray dia tonga mandimby azy mpaminany hafa, ary tsy hisy intsony ny mpaminany handimby ahy, fa kosa hisy ireo mpandimby ahy hitondra azy ireo
Ireo mpaminany no nitondra ny Zanak'Isiraely, ka raha maty mpaminany iray dia tonga mandimby azy mpaminany hafa, ary tsy hisy intsony ny mpaminany handimby ahy, fa kosa hisy ireo mpandimby ahy hitondra azy ireo
Tatitra azo avy tamin'i Abo Hazim izay nilaza hoe : Niara-nipetraka tamin'I Abo Horaira aho nandritra ny dimy taona, ary nandre azy nitantara tenin'ny Mpaminany (S.A.W) miteny manao hoe : "Ireo mpaminany no nitondra ny Zanak'Isiraely, ka raha maty mpaminany iray dia tonga mandimby azy mpaminany hafa, ary tsy hisy intsony ny mpaminany handimby ahy, fa kosa hisy ireo mpandimby ahy hitondra azy ireo, Dia hoy izy hoe : Inona no didinao aminay? Dia namaly izy hoe : “Tanteraho ny fanekena tsy hivadika ny voalohany sy ny manaraka azy, ka omeo ny zon'izy ireo, fa hanontany azy Allah ny amin’izay nataony nankininy.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português தமிழ் Kiswahili অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska Македонски ไทย తెలుగు Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa ny zanak'Israely dia notarihin'ny mpaminany, ary nikarakara ny raharahany izy ireo toy ny fanaon'ny andriana sy ny governora amin'ny olom-peheziny, ary isaky ny misy fahalovana eo amin'izy ireo dia nalefan'I Allah tamin'izy ireo mpaminany hanorina ny raharahany sy hanaisotra ny didy novan’izy ireo. Tsy hisy mpaminany handimby ahy intsony izay hanao araka ny fanaon’ireo olona ireo, ary hisy mpandimby ao aoriako, ka hihamaro izy ireo ary hisy fifandirana sy ny tsy fitovizan-kevitra eo amin’izy ireo. Nanontany ny irak'Allah ireo mpanaradiany hoe : Inona no andidianao anay? Hoy izy : Raha misy kalifa mifandimby manao fanekena; Ny fanekem-pitokisana amin’ny voalohany dia manan-kery ary tsy maintsy tanterahina, ary tsy manan-kery ny fianianan’ny faharoa ary voarara ny mangataka izany amin’izy ireo, omeo ny zon'izy ireo ary mankatoava azy ireo, ary mifandraisa amin’izy ireo amin’ny fihainoana sy fankatoavana tsy misy fahotana, fa Allah no hanontany sy hamoaka azy ireo noho izay ataony taminareo.فوائد الحديث
Tsy maintsy manana mpaminany na kalifa hikarakara ireo vahoaka sy hitarika azy ireo amin’ny làlana mahitsy.
Tsy misy mpaminany intsony aorian'ny Mpaminany Mohammad (S.A.W).
Fampitandremana amin'ny fikomiana atao amin'ny olona izay voaporofo ara-dalàna ny fiahiany.
Tsy azo atao ny manao fifanekena amin'ny kalifa roa miaraka.
Lehibe ny andraikitry ny Imam, satria Allah dia hanontany azy momba ny olom-peheziny.
Hoy I Ibn Hajar : Ny resaka fivavahana no atao laharam-pahamehana noho ny raharaha eto an-tany; Satria i Mpaminany (S.A.W) nandidy ny hahatanteraka ny zon'ny mpitondra noho ny fitandroana ny tenin'ny finoana sy ny fisorohana ny ady ary ny faharatsiana. Ny fanemorana ny raharaha momba ny fitakiana ny zony dia tsy mahavery ny zony, ary Allah dia nampanantena azy fa hamonjy azy sy hanome valisoa ho azy, na dia any an-danitra aza.
Famantarana ny maha-mpaminany azy (S.A.W) dia hitombo ny mpitondra taorian'ny Mpaminany (S.A.W) ary hitondra ny vahoakany sy hifandimby amin'izany ny mpanao tsara sy ratsy.