إعدادات العرض
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia…
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Português සිංහල Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska ไทย Македонски తెలుగు Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa manana zo enina amin'ny rahalahiny silamo ny silamo namany : Ny voalohany : Miarahaba azy rehefa mihaona aminy ka miteny hoe : Assalam Alaikom - Fiadanana ho anareo. Ary mamaly ny fiarahabana ilay namany ka miteny hoe : Wa alaikom salam - Ary fiadanana ihany koa anie ho anareo. Faharoa : Famaliana ny fanasany raha manasa azy amin’ny fisakafoana na zavatra hafa. Fahatelo : Omeo torohevitra izy raha mangataka izany, ary aza mandoka azy na mamitaka azy. Fahefatra : Raha mievina izy ka miteny hoe : Alhamdolillahi - Isaorana anie Allah, dia tohano ka teneno hoe : Yarhamokallah- hamindra fo aminao anie Allah, ary hamaly izy hoe : YahdikomollahoWa yoslih Balakom - Allah anie hitari-dàlana anao sy hampitony ny sainao. Fahadimy : Tsidiho ary vangio izy raha marary. Fahaenina : Manao soalat aminy raha maty ary manaraka ny fatiny mandram_pandevenana azy.فوائد الحديث
Hoy i Al-Shaokani : Ny dikan'ny teniny hoe : (zon'ny silamo) dia ny tsy tokony hialana, ary ny zavatra ataony dia tsy maintsy atao na atoro ary tena ankasitrahana, mitovy amin'ny adidy tsy tokony hialana.
Ny famalina ny fiarahabana dia adidin'ny tsirairay raha olon-tokana ny olona iray, ary ny iray amin'izy ireo dia ampy ho an'ny vondron'olona.
Ny famangiana ny marary dia iray amin'ireo zony amin'ireo rahalahiny silamo; Satria mitondra fahasambarana sy fampiononana ao am-pony izany, ary adidy ampy ihany koa izy io.
Tsy maintsy mamaly ny fanasana raha mbola tsy misy fahotana ao. Raha amin'ny fanasam-panambadiana dia ireo manam_pahaianza maro an'isa mihevitra fa tsy maintsy manaiky izany raha tsy misy fialan-tsiny ara-dalàna, fa raha tsy fanasana amin'ny fampakaram-bady kosa dia ny ankamaroan'ny manam_pahaizana mihevitra fa tsaratsara ny mamaly azy.
Ny fanohanana ny mpievona dia tsy maintsy ho ataon’izay mandre ny mpievona midera an’I Allah.
Fahafenoan'ny lalàna sy ny fahavitrihany hanamafisana ny fatotry ny fiarahamonina, ny finoana ary ny fatoran'ny fifankatiavana eo amin'ireo mpikambana ao aminy.
(Ka dia nomeny anarana izy) Ary amin'ny dikan-teny sasany: "Noho ny fofona azy", miaraka amin'ny "S" tsy noraharahina sy ny diksionera "Shin": mba hivavaka ho an'ny soa sy ny fitahiana ny hoe : Allah anie hanalavitra anao amin'ny fahavalo, ary hiaro anao amin'ny zavatra mahafaly ny fahavalonao. Ny dikan'ny Tasmit hoe : Allah anie hitarika anao amin'ny làlana mahitsy.