Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao

Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao

Tatitra azo avy amin'i Hakim Ibn Hizam (R.D), Niteny hoe : Niteny Aho hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ! itanao ireo rehetra izay nataoko tamin'ny fotoan'ny habadoana toy fanomezana na koa famotsorana andevo, fanohizana ny rohim-pihavanana, moa va hazahoako valisoa izany rehetra izxany ? Niteny i Mpaminany (S.W.A) : " Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao ".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa raha misy Olona tsy Mpino iray miditra amin'ny finoana Islam dia hahazo valisoa Izy noho ny asa soa nataony tamin'ny andron'ny habadoana talohan'ny nidirany ho Islamo, toy ny fanomezana, fanafahana andevo, na fanohizana ny rohim-pihavanana.

فوائد الحديث

Ny asa soa nataon’ny Olona tsy Mpino eto an-tany dia tsy hisy valisoa ho Azy mihitsy any ankoatra raha toa ka Maty ao anatin’ny tsy finoany Izy

التصنيفات

Ny Islam