إعدادات العرض
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao
Tatitra azo avy amin'i Abdullah Ibn Bosra (R.A) niteny : Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany ka niteny hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah ô ! Lasa maro loatra Amintsika ny lalàn'ny finoana silamo, ka misy zavatra azo atao ve hifikirana Aminy ? Hoy Izy : Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao ". Ao amin'ny fitantarana hafa : avy amin'ny Hadith nataon'i Moadhe Ibn Jabal (R.A) : Ny zavatra farany nataoko taorian'ny nandaozako ny Irakan'i Tompo Allah dia ny fitenenako hoe : Inona no asa tsara indrindra sy akaiky an'i Tompo Allah ? Namaly Izy ka nanao hoe : “ Ny hahafatesanao raha mando ny lelanao amin’ny fahatsiarovana an’i Tompo Allah ”.
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் ไทย Deutsch پښتو অসমীয়া Shqip Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Lietuvių دری Српски тоҷикӣ Kinyarwanda Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayuالشرح
Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny lehilahy iray fa ny fanompoam-pivavahana an-tsitrapo dia nitombo loatra ka tsy afaka nanao izany noho ny fahalemeny izy, avy eo nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) mba hitarika azy ho any amin'ny asa tsotra izay hitondra valisoa lehibe ho azy izay hifikirany sy hazoiny tsara. Koa nitari-dàlana azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hihazona ny lelany malefaka sy mihetsika amin'ny fahahatsiarovana matetika an’I Allah amin’ny fotoana sy ny toe-javatra rehetra. Toy ny fiderana, fisaorana, fitadiavana famelan-keloka, fitalahoana, sy ny hafa ankoatr'izany.فوائد الحديث
Ny hasin'ny fahatsiarovana tsy tapaka an'I Allah ilay Tsitoha.
Iray amin’ireo fahasoavana lehibe avy amin’I Allah ny fanamorana ny fomba hahazoana valisoa.
Samihafa ny olona amin'ny anjarany eo amin'ny lafiny fahamendrehena sy ny fahatsarana.
Ny fahatsiarovana an’I Allah matetika amin’ny lela, ny fiderana, ny fisaorana, ny fanokanana, ny fanomezam-boninahitra, sy ny sisa, miaraka amin’ny fo mirindra, dia maka ny toeran’ny asa fankatoavana an-tsitrapo maro.
Fitsinjovan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanontany azy tamin’ny famaliana ny tsirairay araka izay sahaza azy.
