إعدادات العرض
“Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
“Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : “Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල Hausa Kurdî Português தமிழ் Nederlands অসমীয়া ગુજરાતી Kiswahili پښتو മലയാളം नेपाली Magyar ქართული తెలుగు Македонски Svenska Moore Română Українська ไทย मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolof ភាសាខ្មែរ ಕನ್ನಡ Српскиالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa i Satana dia naniry mafy ny hiverenan’ireo mpino mivavaka aminy hanompo azy sy hiankohoka amin’ny sampy any amin’ny nosy misy ny Arabo, nefa mbola nitsiriritra ihany izy, sy ny ezaka nataony, ny fikelezany aina, ny asa ary ny fiezahany manohy ny fanelingelenana azy ireo tamin’ny fifandirana, lolom_po, ady, fakam-panahy, sy ny toy izany.فوائد الحديث
Ny fanompoam-pivavahana amin’i Satana dia fanompoam-pivavahana amin’ny sampy, satria izy no mibaiko sy miantso izany, ary manaporofo izany ny tenin’ilay Tsitoha momba an’i Ibraham (A.S) manao : (Ry raiko ô, aza manompo an’i Satana ianao...).
Satana dia mikatsaka ny hamorona fifandirana, fifankahalana, ady ary korontana eo amin'ny samy mpino silamo.
Iray amin'ireo tombony azo avy amin'ny vavaka amin'ny finoana silamo ny fitazonana ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpino silamo ary manamafy ny fatoran'ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
Ny vavaka no fombam-pivavahana lehibe indrindra aorian'ny fijorona vavolombelona anankiroa, ary izany no mahatonga ny mpino silamo antsoina hoe olona mpivavaka.
Ny faritra misy ny Arabo dia manana toetra tsy mitovy amin'ny firenena hafa.
Raha lazaina fa nisy fanompoan-tsampy nitrangana tany amin’ny faritra sasany amin’ny nosy Arabo, dia hoy ny Mpaminany : (Kivy i Satana ny tsy ho tompoin’ny mpivavaka azy...), dia izao no vaovao momba ny fahakivina nitranga tao amin’ny fanahin’i Satana rehefa nahita ny fandresena sy ny fidiran’ny olona maro tao amin’ny fivavahan’I Allah ny hadith, dia nilaza momba ny eritreriny sy ny fanantenan’i Satana, fa ny zava-misy dia noho ny fahendrena izay irin’Allah ilay Tsitoha.
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsy mendrika