“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy

“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy

Tatitra azo avy tamin'i Abo Saì'd Al-Khodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy hafa, ary ny lehilahy tsy tokony hiray lamba amin’ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mahazo miray lamba amin'ny vehivavy hafa".

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) tsy hijery ny taovam-pananahan'ny hafa ny lehilahy iray, na ny vehivavy tsy hijery ny taovan'ny vehivavy. Ny henatra : dia izay rehetra mahamenatra ny olona rehefa miseho, ary ny henatra ho an'ny lehilahy dia izay eo anelanelan'ny foitrany sy ny lohaliny. Ny vehivavy dia henatra avokoa ny vatany rehetra ho an'ny olona tsy fady azy ny manambandy azy, ary ny vehivavy manoloana ireo olona fady azy dia afaka mampiseho faritra izay mahazatra ny mahita azy rehefa izy miasa ao an-trano. Ny Mpaminany (S.A.W) dia nandrara ny lehilahy hikambana lamba amin'ny lehilahy hafa na hiara-mirakotra amin'ny lamba iray miboridana, ary ny vehivavy tsy hiray lamba amin'ny vehivavy hafa na hiara-mirakotra amin'ny lamba iray miboridana, Satria izany dia hitarika ho amin’ny fikasihan’ny tsirairay ny taovam-pananahan'ny namany, ka ny fikasihana izany dia voarara, toy ny mijery azy, ary voamaika voarara kokoa; satria mety hiteraka haratsiana lehibe kokoa izany.

فوائد الحديث

Fandrarana ny fijerena ny taovam-panana afa-tsy ny lehilahy sy ny vadiny.

Ny finoana Islam dia miezaka mafy amin'ny fanadiovana ny fiarahamonina, ary manidy ny làlana mankany amin'ny fahalotoam-pitondrantena.

Azo atao ny mijery ny taovam-pananahana raha toa ka ilaina izany, toy ny fitsabona sy ny mitovy endrika amin'izany, raha tsy miaraka amin'ny filàna.

Nodidiana ny mpino silamo mba hanarona ny henatra ary hampidina ny fijeriny amin'ny henatry ny hafa.

Norarana manokana ny lehilahy samy lehilahy sy ny vehivavy samy vehivavy ; Satria izy ireo no afaka hifampijery sy hamoaka ny henatra.