إعدادات العرض
Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)
Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)
Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)».
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português Nederlands Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Kiswahili پښتو සිංහල മലയാളം नेपाली Magyar ქართული తెలుగు Македонски Svenska Moore Română Українська ไทย मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolof ភាសាខ្មែរ ಕನ್ನಡالشرح
Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpanao Azan aorian'ny Azan nataony : (Allahomma Rabba Hazihi Daawat) io dia teny amin'ny antso ho amin'ny vavaka izay iantsoana ny olona amin'ny Swalat, (Tammat) feno, ny antso ho amin'ny fanokanana sy ny hafatra, (Wa swaltil Qaaiima) vavaka maharitra miorina, (Aati) ary omeo, (Mohammadan Al-Wassilat) ary ny toerana ambony indrindra any an-danitra izay tsy misy mahazo azy afa-tsy izy irery ihany, (Wal Fadhilat) ny laharana ambony noho ny laharan'ny zavaboary rehetra, (Wab’anthhou) ary omeo azy (Maqaman Mahmodan) fitoerana mendri-piderana - izay hiderana izay mitsangana; Io no fanelanelanana lehibe indrindra amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, (Allazi Waad’taho) izay nampanantenainao - tamin’ny filazanao hoe : {Angamba ny Tomponao no hanandratra anareo ho amin’ny toerana mendri-piderana} amin’ny maha Mpaminany (S.A.W) Azy. Ka izay milaza izany fitalahoana izany dia manan-jo hahazo ny fanelanelanan'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.فوائد الحديث
Ny maha ara-dalàna an'io fitalahoana io rehefa vita ny famerimberenana ny AZAN aorian'ny mpanao Azan, fa ireo tsy nandre ny antso kosa dia tsy milaza izany izy.
Ny hasin'ny Irak'Allah (S.A.W), satria nomena azy ny fitaovana, ny hasina, ny toerana mendri-piderana ary ny fanelanelanana lehibe indrindra amin'ny fisarahana eo amin'ny samy olombelona.
Porofon'ny fanelanelanana ho an'ny irak'Allah (S.A.W); Araky ny teniny hoe : “Avela ho azy ny fanelanelanana ataoko amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty”.
Ny fanelanelanana ataon'ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ny vahoakany izay nanao fahotana lehibe tamin'ny fisakanana azy ireo tsy hiditra ny Afobe, na ny famoahana azy ireo mba hivoaka ao, na ny fidirana ao amin'ny Paradisa nefa tsy mandalo fitsarana, na fampiakarana ny voninahitr’ireo niditra ao.
Hoy i Al-Tibi : Hatrany am-piandohana ka hatramin'ny fitenenany hoe : “I Mohammad no irak'Allah”, izany no antso feno, ary ny tena izy dia ny vavaka mijoro amin'ny fitenenany hoe : “Izy ireo dia manangana Swalat”. Ny atao hoe vavaka dia ny fitalahoana, ary ny hoe "mijoro maharitra" dia izay mijoro amin'ny zavatra iray raha maharitra amin'izany izy, ny teniny hoe : "ary ny vavaka mitsangana", dia fanazavana ny fiantsoana feno. Azo inoana fa ny tiana ho lazaina dia ny vavaka mahazatra izay iantsoana ny olona amin’izany fotoana izany, izay miharihary kokoa.
Hoy i Al-Mohallab : Ao amin'ny hadith dia misy famporisihana ny fitalahoana mandritra ny fotoam-bavaka. Satria trangan'ny fanantenana ny valiny.
