Nivavaka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nanao Salam teo ankavanany izy hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”, ary teo ankaviany koa hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh…

Nivavaka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nanao Salam teo ankavanany izy hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”, ary teo ankaviany koa hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”

Tatitra azo avy amin'i Waa'il Ibn Hojrin (R.A) niteny : Nivavaka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nanao Salam teo ankavanany izy hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”, ary teo ankaviany koa hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”.

[Tsara] [Notantarain'i Abo Daòd]

الشرح

Raha te hiala amin'ny fivavahany ny Mpaminany (S.A.W), dia nanao ny fiarahabana teo ankavanany sy ankavia izy, nanodina ny tavany tamin'ny ilany ankavanana, sady niteny hoe : (Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah), ary nanao ny fiarahabana teo amin’ny ankaviany izy, nanodina ny tavany tamin’ny ilany havia, sady nitey manao hoe : (Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah).

فوائد الحديث

Ny maha ara-dalàna ny fiarahabana roa amin'ny vavaka, ary izy ireo dia iray amin'ireo Andrin'ny Swalat.

Tsaratsara ny manampy ny teny hoe : (Wa barakatoh - sy ny fahasoavany) indraindray; Satria tsy nanao izany mandavan-taona ny Mpaminany (S.A.W).

Andry tsy maintsy atao ny fanononana ny fiarahabana roa mandritra ny vavaka, fa ny mihodikodina eo am-panenoana azy no tsaratsara atao.

Ny fitenenana hoe : (Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-pon'I Allah) mandritra ny fitodihana, fa tsy mialoha na aorian'izany.

التصنيفات

Ny fomba fanaovana Swalat