إعدادات العرض
“Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
“Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە සිංහල தமிழ் ไทย دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली Italiano or ಕನ್ನಡ Oromoo Română Soomaali Српски Wolof Moore Українська Azərbaycan ქართული Magyarالشرح
Manazava ny fahotana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia ireo izay misy fandrahonana mafy ho an'ny mpanao azy eto an-tany na any ankoatra. Ny voalohany amin'izy ireo dia ny : Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa : izany dia ny fanaovana na inona na inona amin'ireo karazana fanompoana rehetra ho an'ny hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny zavatra hafa manoloana ireo zavatra voatokana ho Azy irery ihany,amin’ny maha Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany. Ny faharoa : Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny ray aman-dreny, na fiteny na fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. Ny fahatelo dia “famonoana olona”: Tsy amin'ny rariny, toy ny famonoana tsy ara-drariny sy an-kerisetra. Ny fahefatra dia ny “fianianana mandetika”: izany dia fianianana lainga ary fantany tsara fa mandainga izy, izany no niantsoana azy satria mandentika ny tompony ao amin’ny fahotana na any amin’ny Afobe.فوائد الحديث
Ny fianianana lainga dia tsy misy fanavotana azy noho ny loza mitatao sy ny heloka bevava aminy, fa amin'ny fibebahana ihany.
Ny filazana manokana momba ireo fahotana lehibe efatra ireo ao amin'ny hadith dia noho ny halebean'ny fahotany, fa tsy hoe izy ireo ihany no fahotana lehibe.
Mizara ho lehibe sy kely ireo fahotana, ny fahotana lehibe dia izao : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na ny fandrahonana amin'ny fanasazina any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe, ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana ny fanaovana azy , ary ny fahotana madinika kosa dia ny ankoatr'ireo fahotana lehibe.
التصنيفات
Fanamelohana ny ota