إعدادات العرض
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam_pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana,
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam_pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana,
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam_pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana, dia nihataka kely aho, dia hoy izy : “Manatona", Dia nanatona aho mandra-pijoroako teo akaikin’ny tongony, dia nanao ouzou izy ary nisafo teo amin'ny kirarony.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî Kiswahili دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી नेपाली Oromoo Română മലയാളം Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართული mr Українська Čeština Magyar Македонски Lietuvių Azərbaycanالشرح
Mitantara i Hozayfah bin Al-Yaman (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, ary te hamany izy, ka niditra tao amin'ny toerana iray izy; Io no toerana fanariana fako sy loto eny an-trano, ka namany mitsangana izy, na dia hoe ny mahazatra azy matetika ny mamany mipetraka. Dia nanalavitra azy i Hozayfah, ary hoy izy taminy : Manatona, dia nanatona azy i Hozaifah mandra-pijorony tao aoriana teo an-damosin’ny tongony, mba ho toy ny fanafenana azy tsy hijeren'ny olona amin'io toe-javatra io. Avy eo dia nanao ozo izy, ary rehefa nanasa ny tongony izy, dia nijanona tamin'ny fisafona ny kirarony - izany dia fitafy manify amin'ny tongotra vita amin'ny hoditra sy ny toy izany ary manarona ny kitrokeliny - ary tsy noesoriny.فوائد الحديث
Ny maha-ara-dalàna ny fisafona ny ba kiraro.
Azo atao ny mamany mitsangana raha tsy misy loto mahavoa azy.
Nisafidy ny toeram-pako ny Mpaminany (S.A.W), izany dia toerana fitoeram-bovoka sy ny loto, satria mora izany ary tsy miverina amin'ilay namany ny amaniny.