إعدادات العرض
“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.”
“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.”
Tatitra azo avy amin'i Zaynab Binti Djahsh (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.” Dia nanondro ny ankihiben-tànany sy ny rantsan-tànany manaraka ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Zainab binti Djahsh: Ry irak'Allah ô! : Ho rendrika ve isika nefa eo amintsika ireo olona mendrika? Namaly izy hoe : “Eny, rehefa besaka ny faharatsiana.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල አማርኛ অসমীয়া ગુજરાતી Tiếng Việt Nederlands नेपाली پښتو Svenska മലയാളം ไทย Кыргызча Română తెలుగుالشرح
Niditra tao amin'i Zainab bint Djahsh ny Mpaminany (S.A.W) niaraka tamin'ny fahangovirana sy tahotra ka niteny manao hoe: Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, manambara fiandrasana zavatra ratsy hitranga, ary tsy misy famonjena amin’izany afa-tsy amin’ny fitodihana amin’I Allah Ilay Tsitoha, avy eo izy (S.A.W) dia niteny hoe : Loza ho an’ny Arabo amin’ny faharatsiana izay efa manakaiky hitranga, nisokatra androany ilay tototran’i Goga sy Magoga, ilay fampona izay naorin’i Zoul-Qarnayn, tahaka ity, ary nanondro ny ankihibeny sy ilay manaraka izy (S.A.W). Hoy i Zainab (R.A) : “Ahoana no hanasazin'I Allah atsika amin'ny fandringanana, nefa misy ireo mpino mendrika eto amintsika? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : Raha maro isa ny faharatsiana toy ny fahalotoam-pitondran_tena, ny fahavetavetana, ny fahotana, ny fijangajangana, ny toaka sy ny zavatra hafa, dia ho ringana avokoa ny rehetra.فوائد الحديث
Ny tahotra dia tsy manelingelina ny fon’ny mpino amin’ny fahatsiarovana an’I Allah rehefa matahotra izy; Satria ao amin'ny fahatsiarovana an'I Allah no ahitana fitoniana.
Famporisihana amin'ny fandavana ny fahotana sy hisoroka izany mba tsy hitranga.
Ny fandringanana ankapobeny dia mitranga noho ny hamaroan'ny ota, sy ny fiparitahany, ary ny tsy fisian'ny fandrarana azy, na dia maro aza ny olo-mendrika.
Mahavoa ny olona rehetra ny loza, na ny mpanao tsara na ny mpanao ratsy, saingy hatsangana amin’ny maty izy ireo araka ny fikasany.
Nasongadiny manokana ny Arabo amin'ny teniny hoe : “Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manatona”; Satria izy ireo no maro an'isa tamin'ireo niditra ny finoana silamo tamin'ny fotoana nitenenan'ny Mpaminany (S.A.W) izany.