Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany

Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misy silamo na mpino iray manadio ny tenany ary manasa ny tavany mandritra ny Ozo, dia ny fahotana kely rehetra izay nojereny tamin'ny masony hivoaka amin'ny tavany miaraka amin'ny rano milatsaka rehefa avy nanasa na tamin’ny rano indray mitete farany izy, dia hivoaka avy amin’ny tànany miaraka amin'ny rano mitete ny ota kely rehetra izay nataon’ny tànany, ka raha nanasa ny tongony izy ny ota kely nataon’ny tongony dia mivoaka miaraka amin’ny rano, na miaraka amin’ny rano indray mitete farany mandra-pivoakany madio amin’ny ota madinika amin’ny alàlan’ny famitana ny Ozo.

فوائد الحديث

Ny hatsaran'ny fitazomana ny Ozo, ary izany dia mamafa ny ota.

Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W) ny famporisihany ny olona hanao asa fankatoavana sy fanompoam-pivavahana amin'ny filazana ny valisoa sy tambiny ho azy ireo.

Ny taovan'ny olombelona rehetra dia latsaka ao anatin'ny fahotana sasany, ary noho izany ny fahotana dia manaraka ny ratra rehetra azony, ary mivoaka avy amin'ny ratra rehetra izay mibebaka amin'izany.

Ny Ozo dia ahitana ny fanadiovana ara-batana, izay mitranga rehefa voasasa ny rantsambatana, ary ny fanadiovana ara-moraly, izay mitranga amin'ny famafana ny ota ataon'ny rantsam_batana.

التصنيفات

Ny Ouzou, Vokatsoan'ny asan'ireo rantsana ivelany