Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò…

Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy

Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A) niteny manao hoe : Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy". Amin'ny Bokhari kosa dia: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Manaova ozò ary sasao ny henatrao".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nilaza i Ali Ibn Abi Tàlib (R.A) fa izy dia be Madhi - izy io dia ranon-javatra fotsy madity izay mivoaka amin'ny filahina rehefa te hanao filana na mialohan'ny firaisana-, Ary tsy fantany ny tokony hataony rehefa mivoaka aminy io zavatra io, ka menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy, noho izy vadin'i Fatima zanakavavin'ny Mpaminany (S.A.W), Dia niangavy an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba izany, Dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) : mba hanasa ny henatrany avy eo dia manao ozò fotsiny.

فوائد الحديث

Anjara-toeran'Ali Ibn Abi Tàlib (R.A), satria tsy nanakana azy hanontany ny fahamenarana tamin'ny alalan'ny fandefasana olon-kafa.

Azo atao ny mandefa solon-tena amin'ny fanontaniana zavatra.

Azon'ny olona atao ny milaza zavatra momba ny tenany izay mahamenatra azy noho ny tombontsoa.

Ny fahalotoan'ny Madhi, ary ny tsy maintsy hanasana izany eo amin'ny vatana sy ny lamba.

Ny fivoahan'ny madhi dia isan'ireo zavatra manapaka ozò.

Tsy maintsy sasana ny filahiana sy ny voany roa, araka ny voalaza ao amin’ny hadith hafa.

التصنيفات

Fanesorana ny loto