Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah

Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe: " Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad]

الشرح

Milaza amintsika i Mpaminany (saw) fa ny miborosy nify amin'ny hazo araky sy ny mitovy izany dia manadio ny vava amin'ny loto sy ny fofona ratsy. Ary izy io dia anisan’ny mahatonga ny fahafaham-pon’I Allah amin’ny mpanompo iray; satria misy ny fankatoavana an’I Allah sy ny famaliana ny didiny, ary ny fahadiovana izany no tena tian’I Allah ilay Tsitoha.

فوائد الحديث

Ny fahasoavan'ny fiborosiana ny nify, sy ny famporisihana nataon'ny Mpaminany (saw) ny vahoakany hampiasa izany im-betsaka.

Ny tsara indrindra amin'ny fiborosina nify dia ny mampiasa ny hazo arak, ary fampiasana ny borosy nify sy ny fanadiovana dia afaka misolo azy.

التصنيفات

Ireo zavatra voajanahary