إعدادات العرض
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Kiswahili Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska Македонски ไทย Українська తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ پښتوالشرح
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nihinana na nisotro amin'ny fanadinoana eo am-panaovana ny fifehezana tsy maintsy atao na an-tsitrapo, dia aoka izy hanohy ny fifehezana ary tsy hanapaka izany. Satria tsy nikasa ny hanapaka ny fifehezana izy, fa io dia làlana nitondran’I Allah azy ka nampisakafoiny sy nampisotroiny.فوائد الحديث
Ny maha-ara-dalàna ny fifehezan'ny olona nihinana na nisotro tamin'ny fanadinoana.
Tsy misy fahotana ho an'izay mihinana na misotro manadino; Satria tsy safidiny izany.
Ny fahatsoran’I Allah amin’ny mpanompony, manamora ny zavatra ho azy ireo, ary manala ny fahasahiranana sy ny fijaliana aminy.
Tsy misy zavatra manapaka ny fifehezan'ny olona raha tsy nahafeno ireto fepetra telo ireto : Ny voalohany : nahafantatra tsara izy, fa raha tsy mahalala izy, dia tsy tapaka ny fifadian-kanina. Ny faharoa : Tadidiny tsara fa raha manadino izy, dia manan-kery ny fifadian-kanina ary tsy voatery manonitra izany izy. Ny fahatelo : Safidiny, fa tsy noterena hihinana izay mahafoana ny fifadian-kanina.
التصنيفات
Ireo zavatra manimba ny fifehezana