إعدادات العرض
Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba
Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bordah bin Abi Mosa (R.A) niteny : Nanaintaina mafy i Abo Mosa, ary nitolefika teo am-pofoan'ny vehivavy iray avy amin'ny fianakaviany ny lohany, ary tsy afaka namaly azy, dia hoy izy : “Izaho dia manalavitra izay zavatra nalavirin'ny Mpaminany (S.A.W), Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Kiswahili Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული ಕನ್ನಡ Moore Svenska Македонски ไทย తెలుగు Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Notantarain'I Abo Bordah (R.A) fa ny rainy, Abo Mosa Al-Ash'ari, dia narary mafy ary torana, ary ny lohany dia teo am-pofoan'ny vehivavy iray avy amin'ny fianakaviany. Nitomany sy nihiakihaka izy, saingy tsy nahavaly na inona na inona izy noho ny tsy fahatsiarovan-tena. Rehefa sitrana izy, dia hoy izy : Izaho dia manalavitra tamin’izay nalavirin’ny Mpaminany (S.A.W), ary i Mpaminany (S.A.W) nanalavitra tamin'ny : Mihiakihaka : Izany dia mampiakatra ny feony rehefa tra-doza. Ny mpanao sola : Izany dia fanapahana ny volony raha sendra loza. Ary mpandrovitra : izany dia mandrovitra ny akanjony raha sendra loza. Satria izany rehetra izany dia isany asa fanaon'ny olona vanompotoan'ny habadoana, fa kosa i Mpaminany (S.A.w) nanome baiko mba hanam-paharetana manoloana ny loza, ary hikatsaka ny valisoa avy amin'I Allah.فوائد الحديث
Voarara ny mandrovitra akanjo, na manapa-bolo, na mampiaka-peo rehefa misy loza, satria fahotana lehibe ireo.
Tsy voarara ny alahelo sy ny fitomaniana fa tsy midradradradra na mampiakatra ny feony, Satria izany dia manafoana ny faharetana amin'ny lahtr'I Allah, fa kosa izy io dia ary famindram-po avy amin'I Allah.
Voarara ny fahatezerana amin’ny didy mampalahelo avy amin'I Allah amin’ny alàlan’ny teny na ny fihetsika atao.
Voadidy ny faharetana rehefa misy loza.