“Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”

“Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”

Tatitra azo avy amin'i Jàbir Ibn Abdillah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”, ary ny Mpaminany (S.A.W) nomena vilany nisy anana voanjobona tao, ka naheno fofona avy tamin’ireo izy, ka nanontany izy ka nolazaina ny tao anatiny; dia hoy izy : Ento any amin'ireo mpanara-diako, ary nony nahita azy nankahala ny fihinanana izany izy ireo, dia niteny hoe : “Mihinàna ianao izaho dia mifampiresaka amin’izay tsy iresahanao.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nandrara izay nihinana tongolo gasy na tongolo tsy ho any amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W), mba tsy hanelingelina ny rahalahiny izay manatrika ny soalat iombonana amin'ny fofony. Io dia fanakanana amin'ny tsy maha tsara fotsiny ny fandehanana moske fa tsy fihinana azy; Satria sakafo azo ohanina izy ireo. Ary efa nitondrana vilany iray misy legioma iny Mpaminany (S.A.W), ka rehefa nandre ny fofona tao anatiny izy sy nampahafantarina izay tao anatiny, dia tsy nihinana izany ary nampanatoniny ny sasany tamin'ireo mpanaradiany izany mba hihinanany azy, ka tsy nihinana koa izy ireo ho fanarahana an'ny Mpaminany (S.A.W). Ka rehefa tazany izany dia niteny izy hoe : Mihinana ianao; fa mifandray amin’ny anjely amin’ny alàlan’ny hafatra masina aho. Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjely dia voahelingelina amin'ny fofona ratsy, toy ny mahavoahelingelina ny olona amin'izany.

فوائد الحديث

Fandrarana ho an'izay nihinana tongolo gasy na tongolo na poarô tsy hiditra ny moske.

Anisan’ireny zavatra ireny ny zava-drehetra misy fofona ratsy manelingelina ny mpivavaka, toy ny fofona setroka (sigara), paraky, sy ny toy izany.

Ny fofona no anton'ny fandrarana, ka raha manjavona izany noho ny fandrahoana azy maharitra na noho ny antony hafa; dia miala ny fankahalana izany.

Tsy tsara ny mihinana ireny zavatra ireny ho an'ireo izay tsy maintsy manatrika soalat ao amin'ny moske. Mba tsy hahavery ny mpiangona ao amin'ny moske, raha tsy mihinana izany izy mba hisorohana ny fanatrehana, ka amin'izay dia voarara izy.

Fanakan-tenan’ny mpaminany (saw) ny fihinana tongolo gasy sy ny toy izany tsy noho ny fandrarana izany, fa noho izy firesahany tamin'ny anjely Jibril.

Ny fampianarana tsaran'ny Mpaminany (S.A.W) raha ampifandraisiny amin'ny fanazavana ny anton'ilay didy; manome toky ny mpandray anjara amin'ny fahalalana ny fahendrena.

Hoy ny AL-QÀDI : Nampitahain’ny manam-pahaizana tamin’ny fivoriam-bavaka ankoatry ny moske izany, toy ny fanatrehana Soalat Eid, ny fandevenana, ary ny fivoriam-pivavahana mitovitovy amin’izany, ary koa ny fivoriam-pahalalana, ny fahatsiarovana, ny fanasambe sy ny toy izany, fa ny tsena sy ny toy izany dia tsy tafiditra anatiny.

Hoy ny manam-pahaizana : Ity hadith ity dia porofo milaza fa ny fihinanana tongolo gasy sy ny toy izany dia voarara tsy hiditra ao amin'ny moske - na dia foana aza - satria toeran'ny anjely izany, ary araka ny hevitr'ireo hadith amin'ny ankapobeny.

التصنيفات

Ireo vokatsoan'ny swalat atao amin'ny Jamaat sy ny didy momba azy