Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo

Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nasehon'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa ny toe-piainan'ny mpino silamo amin'ny samy izy ireo dia ny fanirian-tsara, ny famindram-po, ny fanampiana ary ny fanohanana, ary ny fahatsapana hotsika amin'ny loza manjo azy ireo, dia toy ny vatana tokana, raha marary ny ampahany iray dia ny vatana manontolo no mamaly azy amin'ny tsy fahampian-torimaso sy ny tazo.

فوائد الحديث

Tokony hamafisina ny zon'ny silamo ary hamporisihana ny fiaraha-miasa sy ny hatsaram-panahy eo aminn'ny samy izy.

Tokony hisy fitiavana sy fanohanana eo amin’ny olona manam-pinoana.

التصنيفات

Ny Islam