“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana

“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana

Tatitra azo avy tamin'i Aisha (R.A), Renin'ny mpino, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nandritra ny aretiny izay tsy nahafahany nitsangana : “Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Milaza amintsika i Aisha, Renin'ny Mpino (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) niteny tamin'ny fotoana narariany izay nihamafy ka nahatonga ny fahafatesany : Allah dia nanozona ny Jiosy sy ny Kristianina, ary nandroaka azy ireo tamin’ny famindram-pony. Izany dia noho izy ireo nampiasa ny fasan’ny mpaminanin'izy ireo ho moske, tamin’ny fanorenana teo amboniny na nivavaka teo anilany na teo akaikiny. Dia hoy i Aisha (R.A) : Raha tsy noho izany fandrarana sy fampitandremana avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fahatahoran'ny mpanaradia izay hatao amin'ny fasan'ny Mpaminany, tahaka ny nataon’ny Jiosy sy ny Kristiana tamin’ny fasan’ny mpaminaniny, dia naseho sy nasongadina ny fasany.

فوائد الحديث

Io no iray amin'ireo hafatra farany nataony, izay manondro ny maha-zava-dehibe azy sy ny fiheverana azy.

Ny fandrarana mivantana sy fandrarana mafy ny fakana fasana ho moske sy ny fikasana hivavaka any ankoatra ny vavaka fandevenana. Izany dia fanomezam-boninahitra ho an'ny maty, fihodikodinana ny fasany, hikasika ny zorony, ary hiantsoana ny anarany, ary izany rehetra izany dia fanompoan-tsampy sy ny fombafombany.

Ny fahalianan'ilay Irak'Allah sy ny fiahiany mafy amin'ny fanokanana an'I Allah, ary ny tahotrany amin'ny fanomezam-boninahitra ny fasana; Satria mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy izany.

Allah dia niaro ny Mpaminaniny (S.A.W) mba tsy hanaovana ny fivavahan-diso teo akaikin'ny fasany, ka nanome aingam-panahy ny mpanara_diany sy ireo nanaraka azy mba hiaro ny fasany tsy hisongadina.

Fanarahan'ireo mpanaradia ny didin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fifikiran'izy ireo amin'ny fanokanana an'I Allah.

Voarara ny manahaka ny Jiosy sy ny Kristianina, ary anisan’ny fanaon'izy ireo ny mampiakatra avo ny fasana.

Tsy azo atao ny mivavaka eo amin'ny fasana, na dia tsy nisy moske aza eo aminy.

التصنيفات

Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy, Ny famangina fasana