إعدادات العرض
Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany
Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany
Tatitra azo avy amin'i Abdollah bin Masond (R.A) niteny izy: Niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay ka niteny izy manao hoe: "Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල অসমীয়া Kiswahili Tiếng Việt አማርኛ ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली മലയാളം ไทย Svenska Кыргызча Română ಕನ್ನಡ Српски తెలుగు ქართული Mooreالشرح
Namporisika ny Mpaminany (S.A.W) ireo izay afaka manao firaisana ara-nofo sy mamatsy ny tokatranom-banambadiana mba hanambady; Satria miaro ny masony amin’ny zavatra voarara izany, sy tena miaro ny taovam-pananahany, ary manakana azy tsy ho latsaka amin’ny fahalotoam-pitondran_tena. Ary izay tsy mahafeno ny fepetra takian'ny fanambadiana raha mbola afaka manao firaisana, dia aoka hifady hanina izy, satria izany dia hanapaka ny filan'ny fitaovam-pananahana sy filandratsin'ny tsirinaina.فوائد الحديث
Ny finoana silamo dia mifantoka amin'ny antony mahatonga ny fahafehezan-tena sy ny fiarovana amin'ny fahalotoam-pitondran_tena.
Manentana ireo izay tsy afaka manambady mba hifehy; Satria mampihena ny faniriana ara-nofo izany.
Ny endrika fampitoviana ny fifehezana amin'ny fiarovana (widja) voalaza amin'ilay hadith, satria ny fiarovana dia manorotoro ny lalan-drà ao amin'ny "Testicules" ka lasa manjavona amin'ny alalan'ny fanjavonany ny hetaheta te hanao firaisana ara-nofo, dia tahaka izany koa ny fifehezana mampalefaka ny filana ara-nofo.