إعدادات العرض
Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo
Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo
Tatitra azo avy tamin'i Abo Wàqid Al-Laythì (R.A) : Rehefa nivoaka nankany Honayn ny Mpaminany (S.A.W) dia nandalo teo akaikin'ny hazon'ireo mpanompo sampy izay voalaza fa misy rojo vy anantonana ny fitaovam-piadian'izy ireo, ka hoy ireo mpanaradiany hoe : o ry Irak'Allah, anaovy hazo ohatr'ity ho anay tahaka ny azy ireo. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Sobhànallàh! Izany dia tahaky ny voalazan’ny vahoakan’i Mosa manao hoe : “Anaovy tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo” [Al-A’raf: 138] Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Tiếng Việt Kiswahili پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Čeština Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు ไทย മലയാളം Српски Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Lietuviųالشرح
Nankany Honayni ny irak'Allah (S.A.W), izay lohasaha manelanelana an'ny Taif sy Lameka, ary niaraka taminy ireo mpanaradiany izay vao niditra ny finoana islamo tsy ela. Nandalo teo amin’ny hazo iray antsoina hoe “Zat Anowat”, Izany hoe misy fanantonana, izay nampiasain’ireo mpanompo sampy ary nohamasinin'izy ireo ary nanantonan'izy ireo ny fitaovam-padiany sy ny zavatra hafa, hitadiavana fahasoavana. Koa nangataka tamin’ny Irak’Allah (S.A.W) izy ireo mba hanao hazo tahaka izany ho azy ireo, mba hanantonany ny fitaovam-pidiany ho fitadiavana fahasoavana, ary nihevitra izy ireo fa dia azo atao izany, Nidera an'Allah ny Mpaminany (S.A.W) ho fanamelohana izany fanambarana izany sy fanomezana voninahitra an’Allah, ary nilaza izy fa mitovy amin’izay nolazain’ny vahoakan’i Mosa (A.S) taminy io teny io, hoe : “Manaova tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo. ” Rehefa nahita ireo nanompo sampy izy ireo dia nangataka ny hanana sampy tahaka ireo mpanompo sampy manana ny sampiny, ary izany dia fanarahana ny lalan'izy ireo. Avy eo nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ity vahoaka ity dia hanaraka ny làlan'ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanao izay nataony, ho fampitandremana ny amin'izany.فوائد الحديث
Ny olombelona mety hahita ny hatsaran'ny zavatra iray noho ny fiheverany fa hahatonga azy hanakaiky kokoa an’Allah Tsitoha izany, nefa mampisitaka azy aminy izany
Tokony hiteny “Sobhànallàh” sy “Allaho Akbar” ny mpino silamo rehefa mandre zavatra tsy tokony holazaina amin'ny finoana, ary rehefa gaga amin'ny zavatra iray.
Anisan'ny fanompoan-tsampy ny mitady tso-drano amin'ny hazo, vato, sy ankoatr'izany, ary amin'Allah irery ihany no itadiavana fitahiana.
Ny antony mahatonga ny fanompoana sampy dia ny fanomezam-boninahitra azy ireo, hanokan-tena ho azy, ary fitadiavana fitahiana aminy.
Voadidy ny manampona ireo varavarana sy ny làlana mankany amin'ny fanompoan-tsampy.
Fampitandremana ho antsika ireo andinin-teny manameloka ny Jiosy sy ny Kristianina
Fanakanana amin'ny fakana tahaka ireo olona talohan'ny finoana silamo, ny Jiosy ary ny Kristianina, afa-tsy izay voaporofo milaza fa anisan'ny finoantsika.