إعدادات العرض
Apetraho amin'ny toerana marary tamin'ny vatanao ny tananao, ary lazao in-telo ny hoe : Amin'ny anaran'I Allah, ary lazao impito ny hoe : Mangataka fiarovana Aminao aho ry tompo Allah sy ny fahefanao amin'ny zavatra henoko marary sy hitandremako
Apetraho amin'ny toerana marary tamin'ny vatanao ny tananao, ary lazao in-telo ny hoe : Amin'ny anaran'I Allah, ary lazao impito ny hoe : Mangataka fiarovana Aminao aho ry tompo Allah sy ny fahefanao amin'ny zavatra henoko marary sy hitandremako
Tatitra azo avy tamin'i Othman bin Abi Al-Aas Al-Thaqafi (R.A) izay nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ilay zavatra mankarary azy teo amin'ny vatany nanomboka ny fotoana nidirany tamin'ny finoana Silamo dia niteny taminy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Apetraho amin'ny toerana marary tamin'ny vatanao ny tananao, ary lazao in-telo ny hoe : Amin'ny anaran'I Allah, ary lazao impito ny hoe : Mangataka fiarovana Aminao aho ry tompo Allah sy ny fahefanao amin'ny zavatra henoko marary sy hitandremako".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල Kurdî Português Nederlands অসমীয়া Kiswahili ગુજરાતી پښتو Hausa Română മലയാളം Deutsch नेपाली ქართული Moore Magyar తెలుగు Кыргызча Svenska ಕನ್ನಡ Українська Kinyarwanda Македонски Oromoo ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
I Othman bin Abi Al-Aas (R.A) dia voan'ny aretina saika nahafaty azy, ka tonga namangy azy i Mpaminany (S.A.W), ary nampianatra azy Doan izay hanesoran'allah aminy ilay aretina. Izany dia fametrahana ny tànany eo amin'ny toerana itarainany, ka miteny manao hoe : (Bismillahi - Amin'ny anaran'Allah) in-telo, avy eo miteny impito hoe : (Mitady fiarovana aho), mitady fialofana, mitady firovana, Mitady fahadiovana aho (amin'Allah sy ny heriny amin'ny faharatsian'ny zavatra mahazo ahy) amin'ny fanaintainana amin'izao fotoana izao, (ary mitandrina aho) amin'izay hitranga amin'ny ho avy amin'ny alahelo sy ny tahotra, sao hitohy ity aretina ity ary hiparitaka manerana ny vatana.فوائد الحديث
Tsaratsara ny manao rokyah ho an'ny tena, tahaky ny voalazan'ny hadith.
Ny fitarainana - tsy misy fahasorenana na fanoherana - dia tsy mifanohitra amin'ny fahatokisana sy ny faharetana.
Ny fitalahoana dia anisan'ny manome ny antony, ka tokony harahina ny teny sy ny isany.
Ity fitalahoana ity dia natao ho an'ny fanaintainana amin'ny vatana rehetra.
Apetraho eo amin'ny toerana misy fanaintainana ny tànana rehefa manao rokyah amin'ity Doan ity.
التصنيفات
Ny Roquia ara-dalàna