Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana

Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana

Tatitra azo avy amin'i Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny fepetra voalohany takina ny fanatanterahana azy dia ilay maha-ara-dalàna ny fakana fafinaretana ara-nofo amin'ny vehivavy, ary izany dia fepetra azo ekena izay angatahan'ny vehivavy eo amin'ny fifanekena amin'ny fanambadiana.

فوائد الحديث

Tsy maintsy tanterahina ny fepetra napetraky ny mpivady iray, afa-tsy ny fepetra mandrara ny zavatra azo atao na manome alàlana ny zavatra voarara.

Ny fanatanterana ireo fepetran'ny fifamatoram-panambadiana dia fepetra tena tokony ho tanterahina noho ny hafa; Satria izany no ahafahana maka fahafinaretana sy ny firaisana ara-nofo.

Haleben'ny fanambadiana eo amin'ny finoana Islam, Satria izany indrindra no nanantitrantitra ny fahatanterahan'ny fepetra ao aminy.