إعدادات العرض
“Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina
“Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina
Tatitra azo avy tamin'i Abana bin Othman, izay nilaza hoe : Nandre an'i Othman bin Affan (R.A) aho niteny hoe : Nandre ny irak'Allah (S.A.W) aho niteny manao hoe : “Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina, ary izay miteny an'izany intelo amin’ny maraina dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-paharivan’ny andro". Hoy izy : Narary i Abana bin Othman, ka nibanjina azy ilay lehilahy nandre ny hadith taminy, dia hoy izy hoe : Nahoana no mijery ahy ianao? Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) koa i Othman, fa tamin'ny andro nisehoan'ny zava-nitranga tamiko dia tezitra aho ka nanadino ny nilaza izany.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français Tiếng Việt ئۇيغۇرچە Kurdî Português සිංහල Русский Nederlands অসমীয়া Kiswahili ગુજરાતી پښتو Hausa Română മലയാളം Deutsch नेपाली ქართული Moore Magyar తెలుగు Кыргызча Svenska ಕನ್ನಡ አማርኛ Українська Kinyarwanda Македонски Oromoo ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دریالشرح
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny isan'ny maraina aorian'ny mangiran-dratsy sy amin'ny takariva alohan'ny filentehan'ny masoandro in-telo : (Amin'ny anaran'I Allah) mitady fanampiana sy miaro ny tenako aho amin'ny zavatra manimba rehetra (Izay tsy afaka manisy ratsy) ny fanononana (ny anarany) na inona na inona (zavatra) na inona na inona (eto an-tany) sy ny loza mipoitra avy aminy (na any an-danitra) ary ny loza midina avy any izany (Izy no Mpihaino) ny tenintsika (Ilay Mahalala ny zava-drehetra) momba ny toe-javatra misy amintsika. . Izay miteny izany amin'ny hariva dia tsy ho voan'ny loza tampoka mandra-maraina, ary izay miteny izany amin'ny maraina dia tsy ho voan'ny loza tampoka mandra-paharivan'ny andro. Koa voan'ny aretina i Aban bin Othman, ilay mpitantara ny hadith, fahalemen'ny iray amin’ireo tapany roa amin’ny vatana ilay izy, ka talanjona ilay lehilahy nandre ny resaka taminy! Hoy izy tamin-dralehilahy : Nahoana no mijery ahy ianao?! Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Othman (R.A), fa tamin'ny andro nitranga tamiko izay notendren'I Allah ho lazaiko, dia tezitra aho ka nanadino niteny ireo teny voalaza ireo.فوائد الحديث
Tsaratsara ny mamaky io tonom_bavaka io amin'ny maraina sy hariva; mba ho voaro ny olona, raha sitrak’Allah, tsy ho tratran’ny loza tampoka, na fahorina, na haratsiana, na ny toy izany.
Ny tanjaky ny finoana an'I Allah sy ny finoan'izy ireo ny zavatra nolazain'ny irak'Allah (S.A.W).
Iray amin'ireo tombotsoa azo avy amin'ny fifikirana ny tonom_bavaka amin'ny maraina sy ny hariva dia ny manala ny tsy fahadidian'ny mpino silamo ary mampahatsiahy azy tsy tapaka fa mpanompon'I Allah ilay Tsitoha izy.
Araka ny halehiben’ny finoan’ny mpahatsiaro an’Allah, ny fanetren-tenany, ary ny fisian’ny fony, amin’ny fahadiovam-po sy ny fahatokiana, dia ho tanteraka ny vokatry ny fahatsiarovana.