“Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy

“Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy

Tatitra azo avy tamin'i Abo mossa Al-Ash'ario (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy, ary ny mpihatsaravelatsihy mamaky ny kor'any dia toy ny rayhana, ny fofony dia tsara fa ny tsirony mangidy, ary ny ny mpihatsaravelatsihy tsy mamaky ny kor'any dia toy Hanzwalat, tsy misy fofona ary mangidy ny tsirony."

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanazava ny sokajin'olona amin'ny famakiana ny kor'any sy ny tombontsoa azo avy amin'izany ny Mpaminany (S.A.W) : Ny sokajy voalohany : Ny mpino izay mamaky ny kor'any ka mandray soa avy amin'izany, tahaka ny voan'ny Otroja izy, tsara ny tsirony, fofony, tsara tarehy, maro ny soa azo avy aminy ary mahasoa ny mpanompon’Allah. Ny faharoa : Ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry izay mamy sy tsy misy fofona, ny fony dia feno finoana, toy ny atrendry izay misy mamy sy tsiro ao anatiny, saingy tsy manana hanitra ho an'ny olona mifofona azy; Satria tsy nisy vakiteny avy aminy izay hahazoan'ny olona mpihaino azy fahafinaretana. Ny fahatelo : ny mpihatsaravelatsihy izay mamaky ny kor'any dia toy ny Rayhana, izay misy fofona mahafinaritra saingy mangidy ny tsirony, satria tsy nanao asa tamin'ny fony feno finoana izy, ary tsy nanatanteraka ny voalazan'ny kor'any, fa miseho eo imasombahoaka fa hoe mpino. Ny fofony manitra dia mitovy amin'ny vakiteny nataony, ary ny tsirony mangidy dia mitovy amin'ny tsy finoany. Ny fahefatra : Ny mpihatsaravelatsihy izay tsy mamaky ny kor'any, dia toy ny Hanzwala izy, satria tsy misy fofona ary mangidy ny tsirony, ka ny tsy fisian'ny hanitra aminy (hanzwala) dia mitovy amin'ny tsy fisian'ny fofony (Mpihatsaravelatsihy). noho ny tsy famakiany izany, ary ny hidin'ny tsirony dia mitovy amin’ny fangidian’ny tsy finoany, foana ny fianoana ao anatiny, ary ny endriny ivelany dia tsy mahasoa, raha ny marina dia manimba.

فوائد الحديث

Manazava ny tombotsoan'ny mpamaky ny kor'any sy ny mampihatra azy.

Anisan'ny fomba fampianarana ny fanomezana ohatra mba hampifanantona kokoa ny fahatakarana.

Ny mpino silamo dia tokony hanana ampahany vakina isanandro tsy tapaka ao amin'ny bokin'Allah Ilay Tsitoha.