Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra

Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny hoe : Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra, ary toy izany koa ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba namaly faty ny tenany raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan’I Allah, ka amin’izay dia mamaly faty an’I Allah izy.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Ny Renin'ny mpino, Aisha (R.A) dia nitantara ny sasany amin'ireo fitondran-tenan'ny Mpaminany (S.A.W), ary anisan'ny zavatra nolazainy : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy nomena safidy teo amin’ny raharaha roa afa-tsy ny mora kokoa tamin’ireo roa ireo no nalainy raha mbola tsy fahotana ilay moramora, fa raha tsy izany dia izy no nanalavitra ny olona ary nifidy izay henjana kokoa. Ary tsy namaly faty ho an'ny tenany manokana i Mpaminany (S.A.W), fa namela sy nandefitra amin'ny zony, raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan'I Allah, amin'izay dia hamaly faty an'I Allah izy, ary izy no olona tezitra indrindra noho Allah.

فوائد الحديث

Tsaratsara ny misafidy ny mora kokoa amin’ny raharaha raha mbola tsy misy fahotana.

Fahamoran'ny finoana silamo.

Ny maha-ara-dalàna ny fahatezerana noho Allah.

I Mpaminany (S.A.W) dia tsy nandefitra sy nanam-paharetana tamin'ny fametrahana ny fahamarinana momba ny fetran’I Allah ilay Tsitoha.

Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny fialana amin'ny asa sarotra, ny miaina amin'ny zavatra mora, ary ny fialana amin'ny fiziriziriana amin'izay tsy terena.

Famporisihana amin'ny famelan-keloka afa-tsy amin'ny zon'I Allah ilay Tsitoha.

التصنيفات

Ny fasahian'ny Mpaminany (S.A.W), Ny fangorahan'ny Mpaminany (S.A.W)