إعدادات العرض
“Rehefa miditra ao amin’ny Paradisa ny olona ao amin’ny Paradisa, dia hiteny Allah hoe : Mbola mila zavatra hafa homeko ve ianareo?
“Rehefa miditra ao amin’ny Paradisa ny olona ao amin’ny Paradisa, dia hiteny Allah hoe : Mbola mila zavatra hafa homeko ve ianareo?
Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Rehefa miditra ao amin’ny Paradisa ny olona ao amin’ny Paradisa, dia hiteny Allah hoe : Mbola mila zavatra hafa homeko ve ianareo? Dia hamaly izy ireo : Tsy efa nazavainao ve ny tarehinay? sy nampidirinao tao amin’ny Paradisa ve izahay ka namonjy anay tamin’ny helo? hoy izy : “Dia hesorina ny zavatra manakona ny maso, ka tsy nomena zavatra tsara sy tian'izy ireo mihoatry ny mijery ny Tompony, ilay Tsitoha sy Lehibe.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kurdî Português සිංහල Nederlands অসমীয়া Kiswahili ગુજરાતી پښتو Română മലയാളം Deutsch नेपाली ქართული Magyar Moore తెలుగు Svenska Кыргызча ಕನ್ನಡ Українська Kinyarwanda Oromoo Македонски ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Miteny i Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ao amin'ny Paradisa ny olon'ny Paradisa dia hiteny amin'izy ireo Allah ilay Tsitoha: Misy zavatra tianareo ampiana ve ianareo? Dia hiteny avokoa ny olon'ny Paradisa hoe : Tsy efa nataonao fotsy ve ny tavanay? Tsy nampidirinao tao amin’ny Paradisa ve izahay ka namonjy anay tamin’ny helo ianao? Ka dia esorin’Allah ny zavatra manasaraka; Ary ny zavatra nanasaraka dia mazava sy mamirapiratra, ka tsy nomena zavatra tsara sy tian'izy ireo mihoatry ny mijery ny Tompon'izy ireo.فوائد الحديث
Fanesorana ny voaly amin’ny olon’ny Paradisa mba hahitany ny Tompony, ary ho an’ireo tsy mino; dia voarara amin’izany izy ireo.
Ny fahasambarana lehibe indrindra ao amin’ny Paradisa dia ny fahitan'ireo mpino ny Tompony.
Ny olona rehetra ao amin’ny Paradisa, na tsy mitovy ny toerana misy azy, dia hahita ny Tompony, ilay Tsitoha.
Ny fahasoavan’Allah amin’ny mpino dia ny fampidirana azy ireo any amin’ny Paradisa.
Ny maha zava-dehibe ny fanafainganana ho any amin'ny Paradisa amin’ny asa soa sy ny fankatoavana an’Allah ilay Tsitoha sy ny irak’Allah.
التصنيفات
Endriky ny Paradisa sy ny Afobe