Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao

Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ry irak'Allah ô, mandeha an-dranomasina izahay, ary mitondra rano kely miaraka aminay, ka raha manao ozo amin' izany izahay dia hangetaheta, ka afaka manao ozo amin'ny ranomasina ve izahay? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao".

[Mari-pototra]

الشرح

Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Miondrana an-tsambo eny an-dranomasina izahay mba hanaratoana na hanao varotra sy ny toy izany, ary mitondra rano fisotro kely izahay, ka raha ampiasainay ho an’ny fanaovana ozo sy fanadiovana dia ho lany ary tsy mahita rano hosotroina, ka azo atao ve ny manao ozo amin'ny ranomasina? Hoy i Mpaminany (S.A.W) momba ny ranon-dranomasina : Madio sy manadio ny ranony, Azo atao ny manadio sy mandro amin’izany, ary azo atao koa ny mihinana izay mivoaka avy ao, toy ny trondro, trozona, sns, na dia hita faty aza ka nitsinkafona teo an-damosiny nefa tsy nihaza.

فوائد الحديث

Ny fatin’ny biby an-dranomasina dia azo hanina, ary ny atao hoe biby maty dia ny biby maty ao anatiny izay tsy afaka miaina afa-tsy ao anatiny.

Famaliana ny mpanontany amin'ny valiny mihoatra ny nangatahany mba hamenoana ny tombontsoa.

Raha miova ny tsirony, ny lokony na ny fofony amin’ny zavatra madio ny rano, dia mitoetra ho madio izy raha mbola mitoetra ho rano amin’ny tena toetrany, na dia mitombo aza ny sira, ny hafanana, ny hatsiaka ary ny toy izany.

Ny ranomasina dia manala ny loto lehibe sy madinidinika, ary manala ny loto (najisy) izay mitranga amin'ny olona madio, na amin'ny vatana, na amin'ny akanjo, na amin'ny zavatra hafa.

التصنيفات

Didy momba ny rano