إعدادات العرض
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko
Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillah (R.A) niteny hoe izy : Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî অসমীয়া Kiswahili አማርኛ Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands සිංහල پښتو ไทย नेपाली Кыргызча മലയാളംالشرح
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Jarir bin Abdollah (R.A) momba ny lehilahy iray nijery tampoka ny vehivavy vahiny azy (tsy vadiny no azony vadina) tsy nisy eritreritra hafa? Koa nodidin'ny Mpaminany (S.A.W) eo noho eo izy hanodina ny tarehiny haingana any amin'ny ilany anakiray taorian'ny fahafantarany izany, ary tsy hisy fahotana eo aminy.فوائد الحديث
Famporisihana hampidina ny fijery.
Fampitandremana amin’ny fijerena maharitra izay voarara tsy hojerena raha sendra hita tampoka sy tsy nahy ny maso.
Ao anatin'izany manambara fa efa nisy tany amin'ireo mpiara_dian'ny Mpaminany (S.A.W) ny fandrarana ny fijerena vehivavy, porofon'izany ny fanontanian'i Jarir (R.A) an'i Mpaminany (S.A.W) raha tafijery vehivavy tsy misy finiavana hafa ny tenany, ka moa ve ny lalàna mihatra aminy mitovy amin'ny lalàna mihatra amin'ny olona nanao fanahinina nijery?
Mampiseho izany fa miahy ny tombontsoan’ny olombelona ny lalàna silamika, satria mandrara azy ireo tsy hijery vehivavy noho ny faharatsiana aterak'izany eo amin’ny fiainana sy any ankoatra.
Fiverenan'ireo mpanara_dia tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) sy fanontanian'izy ireo azy amin’izay manahirana azy ireo. Noho izany dia tokony hiverina any amin'ny manam-pahaizana ny vahoaka ary hanontany azy ireo momba ny zavatra nampisafotofoto azy ireo.
التصنيفات
Fanadiovana ny fanahy