“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe firy rakkat no vitany hoe telo sa efatra, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, dia manaova fiankohofana indroa alohan’ny SALAM

“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe firy rakkat no vitany hoe telo sa efatra, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, dia manaova fiankohofana indroa alohan’ny SALAM

Tatitra azo avy amin'i Abou Said Al-Khoudri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe firy rakkat no vitany hoe telo sa efatra, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, dia manaova fiankohofana indroa alohan’ny SALAM, raha nivavaka rakaat dimy izy, dia hanelanelana azy ny swalat nataony, ary raha nivavaka rakkat efatra izy, dia hanakivy an’i Satana izany.

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misalasala ny amin'ny swalat ataony ny olona iray ka tsy mahalala hoe firy rakkat ny swalat vitany hoe telo sa efatra? Avelao izy hanala ny isa fanampiny izay mampisalasala ka tsy haka izany. Ireo telo ireo no azo antoka, ka manao raka’ah fahefatra izy, avy eo miankohoka indroa mialohan’ny salam famaranana. Raha efatra tokoa no rakaat vita; ka lasa dimy tamin’ny fanampin’ny raka’ah izany, ary nanao fiankohofana roa fanadinoana dia lasa hisolo ny rakkat izany, ka ny isa dia raka’ah roa, fa tsy raka’ah hafahafa: fa raha nanao raka’ah fanampiny efatra izy, dia efa nahavita izay tokony hataony tsy misy fanampiny na fanalana izy. Ny fiankohofana anankiroa amin’ny fanadinoana dia ny hanalana baraka an’i Satana sy fandresena ary fampodina azy ho amin’ny fahafaham-baraka ka hanalavitra ny faniriany. Satria nampisafotofoto ny swalat nataony izy, ary naharihariny tamin’ny fahalotoan’izany, ary feno tanteraka ny vavaky ny zanak’i Adama rehefa nanaraka ny didin’Allah ilay Tsitoha tamin'ny alàlan'ny fiankohofana, izay tsy nankatoavin’i Satana, rehefa tsy nety nankatò an’Allah tamin’ny fiankohofana tamin’i Adama izy.

فوائد الحديث

Raha misalasala tamin'ny vavaka nataony ny olona iray ary tsy fantany ny tena izy amin'ireo zavatra roa ireo, dia tokony hanaisotra ny fisalasalana izy ary hanao zavatra azo antoka, izay kely indrindra, ka tokony hamita ny fivavahany sy hiankohoka ho solon'ny fanadinoana izy mialohan'ny hanao Salam avy eo dia mamarana ny swalat.

Ireo fiankohofana anankiroa ireo dia fomba iray hanitsiana ny swalat, ary hamerenana an’i Satana ho amin’ny faty antoka sy ny henatra ary lavitry ny faniriany.

Ny fisalasalana voalaza ao amin'ny hadith dia ny fisalasalana tsy misy fihoaram-pefy, ka raha misy ny ahiahy ary mihoa-pampana izany dia izay azo antoka no atao.

Famporisihana hiady amin'ny fakampanahy sy hanosika azy hiala amin'ny fanarahana ny baikon'ny Sharia.

التصنيفات

Ny fiankohofana noho ny fanadinoana sy ny famakiana ary fankasitrahana