إعدادات العرض
Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady aminy ny afobe
Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady aminy ny afobe
Tatitra azo avy tamin'i Omm Habiba (R.A) vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Nandre ny irak'Allah aho niteny manao hoe : "Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady aminy ny afobe."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو हिन्दी 中文 ئۇيغۇرچە Kurdî Português Nederlands অসমীয়া ગુજરાતી Tiếng Việt Kiswahili پښتو සිංහල Hausa മലയാളം नेपाली Magyar ქართული తెలుగు Македонски Svenska Moore Română ไทย Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolof ភាសាខ្មែរ ಕನ್ನಡالشرح
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanome vaovao mahafaly fa izay manao vavaka an-tsitrapo efatra rakaat alohan'ny mitataovovonana sy efatra rakaat aorian'izany, ary izay manohy sy mitazona izany dia hesorin'I Allah amin'ny Afobe.فوائد الحديث
Amporisihina ny manao ny rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy ny efatra aorian'izany.
Ny Rawatib aloha - izany hoe alohan'ny vavaka tsy maintsy atao -; Misy fahendrena fonosin'izany : fanomanana ny fanahin’ny mpivavaka ho amin’ny fanompoam-pivavahana alohan’ny hidirana amin’ny vavaka tsy maintsy atao, ny fanaovana azy aoriana dia ny fanonerana ny lesoka amin’ny vavaka tsy maintsy atao.
Ny Sonnah Rawatib dia manana valisoa lehibe, anisan'izany ny fampitomboana ny tombotsoa, ny fanonerana ny asa ratsy, ary ny fampiakarana voninahitra.
Ny fitsipiky ny Sonnite ao amin'ny hadith momba ny fampanantenana dia toy ity hadith ity: ny fahafatesana dia tokony ho mifototra amin'ny fanokanana an'I Allah, ary ny tiana ho lazaina dia tsy mandrakizay any amin'ny Afobe, satria izay manota amin'ireo mpanokana an'Allah dia mendrika ny sazy, fa tsy mitoetra any amin’ny helo izy raha sendra voasazy.
التصنيفات
Ireo Sounna Rawatib