“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”

“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Milaza etoana ny Mpaminany (S.A.W), fa izay mijery ny mahasoa ny vehivavy maty vady, izay tsy manana olona mpikarakara azy, sy ny mahantra izay tena sahirana, ka mamoaka vola ho fanampiana azy ireo, nataony izany rehetra izany mba hahazoany valisoa avy amin'Allah, ny valisoa azony dia tahaka ny azon'ny olona miady amin'ny làlan'Allah, na mivavaka amin'ny alina tsy reraka mihitsy, na koa mifehy tsy manapaka ny fifehezany.

فوائد الحديث

Famporisihana amin'ny fiaraha-miasa, ny fikarakarana ary ny fanampiana ny filan’ny olona marefo sy osa.

Ny fanompoana dia mandrakotra ny asa tsara rehetra, ary anisan’ny fanompoana ny fanampiana ny mananotena sy ny sahirana.

Hoy I Ibn Hobayra : Ny tiana holazaina amin'ny fanambaran'Allah ho azy ny valisoan'ny mpifehy sy mpivavaka amin'ny alina ary mpiady amin'ny làlan'i Allah ho iray; Izany dia noho izy nijoro eo amin'ny mpananotena ho solon'ny vadiny ..., ary nijoro ho an'ilay mahantra izay tsy afaka nijoro ho an'ny tenany, ka nanampy amin'ny heriny sy ny angovony. Ka ny tombontsoa azony amin'izany dia mitovy amin'ny fifehezana sy ny vavaka amin'ny alina ary ny ady masina.