Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany

Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany

Tatitra azo avy amin'i No'man bin Bashir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany, Ka rehefa tia hahazo rano ireo aty ambany dia tsy maintsy miakatra amin'ny zareo any ambony, dia niteny izy ireo hoe : Maninona raha lavahantsika ato ambany amin'ny toerana misy atsika ity mba tsy hanelingelina zareo any ambonintsika, Ka raha navelan'ireo tany ambony hanao izay tiany hatao ry zareo dia samy rendrika avokoa, fa raha norarany kosa dia samy avotra daholo".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Nanome ohatra ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ireo izay manaja hatrany ny fefin'Allah, izay mifikitra amin'ny didin'Allah, mamporisika amin'ny tsara sy mandrara amin'ny ratsy, Ary ny ohatry ny olona izay latsaka ao anatin'ny fefin'Allah izay tsy miraharaha ny fanaovan-tsoa fa manao ny ratsy, ary ny fiantraikan'izany eo amin'ny fanavotana ny fiaraha-monina, dia toy ny ohatry ny olona izay niondrana an-tsambo, ary izy ireo nanao antsapaka ny amin’izay hipetraka any ambony amin'ny sambo sy izay hipetraka aty ambany, ka ny sasany tamin’izy ireo no nahazo ny ambony ary ny sasany teo ambany, ary raha te-hantsaka rano ny eny ambany, dia tsy maintsy niampita amin'ny zareo any ambony, dia hoy ireo teo ambany : Raha nandavaka eo amin'ny fitoeran-tsika isika mba hahazoana rano no sady tsy hanelingelina izay any ambonin-tsika, ka raha navelan'ireo ambony hanao izany izy ireo, dia ho rendrika ny sambo ary rendrika daholo izy rehetra, ary raha nandrara sy nanakana azy ireo, dia ho voavonjy daholo ny vondrona roa.

فوائد الحديث

Ny maha-zava-dehibe ny famporosina amin'ny tsara sy ny fandrarana amin'ny ratsy amin’ny fiarovana sy ny fanavotana ny fiaraha-monina.

Anisan’ny fomba enti-mampianatra ny fametrahana ohatra, mba hahazoan'ny saina kokoa ny hevitra tiana hambara amin'ny alalan'ny endrika azo tsapain-tanana.

Ny fanaovana ratsy miharihary nefa tsy misy manameloka izany dia manimba ary miteraka fahavoazana ho an'ny rehetra.

Ny fahapotehan’ny fiaraha-monina dia vokatry ny famelana ireo mpanao ratsy hanimba ny tany.

Ny fitondran-tena ratsy miaraka amin'ny fikasana tsara dia tsy ampy amin'ny mampety ny asa.

Ny andraikitra eo amin'ny fiarahamonina silamo dia irahana fa tsy ankinina amin'olona tokana.

Fanasazina ny rehetra amin'ny fahotana nataon'ny ampahany raha tsy nisy nanakana azy.

Ireo mpanao ratsy dia mampiseho ny haratsiany amin'ny fomba mendrika ho an'ny firaaha-monina toy ireo mpihatsaravelatsihy.