Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”

Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”

Tatitra azo avy tamin'i O'qbata bin À'mir Al-Johanì (R.A) : Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad]

الشرح

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Oqba Ibn Amir ireo anton'ny hamonjena ny mpino eto an-tany sy ny any ankoatra? Niteny i Mpaminany (S.A.W) : Zavatra telo no tokony hataonao : Voalohany : Fehezo ny lelanao amin’ny zavatra tsy tsara, sy ny teny ratsy rehetra, ary aza miteny afa-tsy ny tsara. Faharoa : Mijanòna ao an-trano mba hanompoana an’Allah irery, miasa amin’ny fankatoavana an’I Allah ilay Tsitoha, ary misintaka mitokana ao antranonao manalavitra ny fakam-panahy. Fahatelo : Mitomany sy manenina ary mibebaha amin’ny fahotana vitanao.

فوائد الحديث

Fitiavan'ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) hahalala ny làlan’ny famonjena.

Fanazavana ny anton’ny fahombiazana eto an-tany sy ny any ankoatra.

Mamporisika ny olona iray hiasa mafy an’ny tenany raha tsy mahavita manasoa ny hafa, na matahotra ny hanimba ny fivavahany sy ny tenany raha mifangaro amin’ny olona.

Ny fanondroana ny fikarakarana ny tokantrano, indrindra fa mandritra ny fakam-panahy, dia iray amin’ireo fomba hiarovana ny fivavahana.

التصنيفات

Fahalalampomba amin'ny firesahana sy ny fahanginana, Ny fibebahana