إعدادات العرض
aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao
aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao
Tatitra azo avy amin'i Maadan Ibn Abi Toalha Al-Yamari niteny izy: Nihaona tamin’i Thawban, mpanampin'ilay Irak'Allah (S.A.W) aho ka niteny taminy hoe: Lazao ahy ny asa iray ataoko izay hampidiran'I Allah ahy any amin'ny Paradisa? Na noteneniko koa hoe : Ny asa tena tian'I Allah indrindra, dia nangina izy. avy eo nanontaniako indray dia nangina, ary nanontaniako faninteloy izy ka namaly hoe : Efa nanontaniako an'ny Mpaminany (S.A.W) izany dia namaly ahy izy hoe : aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao" Dia niteny i Maadan hoe : avy eo nifanena tamin'i Abo Dardaa aho ka nanontany azy dia namaly ahy mitovy amin'izay voalazan'i THaobani tamiko izy.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල Hausa Kurdî Kiswahili Português தமிழ் دری অসমীয়া አማርኛ Svenska ไทย Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી नेपाली Română മലയാളം Nederlands Oromoo తెలుగు پښتو Soomaali Kinyarwandaالشرح
Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny asa izay mampiditra amin'ny Paradisa na ny asa tena tian'I Allah indrindra? Dia nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ilay mpanontany manao hoe : Mifikira amin'ny fiankohofana betsaka amin'ny vavaka, satria tsy miankoho amin'I Allah fiankohofana iray ianao afa-tsy ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary ho fafany ny helokao.فوائد الحديث
Mamporisika ny mpino silamo mba hazoto amin’ny vavaka tsy maintsy atao sy ny vavaka an-tsitrapo, satria tafiditra ao anatin’izany ny fiankohofana.
Fanambarana ny fahatakaran'ireo mpanara_dia sy ny fahalalan'izy ireo fa ny Paradisa dia azo - aorian'ny famindram-pon'I Allah - raha tsy amin'ny alalan'ny asa.
Ny fiankohofana amin'ny vavaka dia iray amin'ireo antony hampiakarana ny voninahitra, sy famafana ny fahotana.
التصنيفات
Ny tombotsoan'ny Swalat