Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo

Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo

Tatitra azo avy tamin'i Abou zarri (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa Allah ilay avo Tsitoha dia niteny fa nandrara ny tsy rariny tamin'ny tenany Izy, ary nataony voarara ihany koa ny tsy rariny teo amin'ny zavaboariny, ka aoka tsy hisy hanao ny ratsy amin'ny hafa. Ary ny zavaboary rehetra dia niala amin'ny làlan'ny fahamarinana raha tsy izay nahitsin'Allah sy namaivaniny, ary izay mangataka izany amin'Allah dia omeny sy amaivaniny. Ary ny zavaboary dia mahantra eo anatrehany ary mila sy Azy amin’izay rehetra itadiaviny eo amin'ny fiainany, ary na iza na iza mangataka amin’Allah ny mba hanatanterahany izay rehetra ilainy dia ampy ho Azy Allah. Manota andro aman’alina izy ireo, ary Allah ilay avo Tsitoha no manarona sy mamela raha mangataka famelan-keloka Aminy ny mpanompo ny amin'izany ota izany. Ary tsy afaka manisy ratsy an’Allah na hanasoa Azy amin’ny zavatra rehetra izy ireo. Ary raha teo amin'ny fon’ny Olona iray manam-patahorana izy ireo, dia tsy hampitombo ny fahamasiana ao amin’ny fanjakan’Allah ny fatahoran' izy ireo. Raha naloto fitondran-tena tahaka ny fon’ny Olona iray izy ireo, dia tsy hanaisotra ny fahefany na dia kely ny fahalotoam-pitondrantenan'izy ireo. Satria malemy eo anatrehan’Allah izy ireo, mila Azy amin’ny toe-javatra rehetra, amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra, ary Izy no Mpankarena, ka ny Voninahitra sy dera ho Azy. Ary raha mijoro amin'ny toerana iray izy ireo, Olombelona sy ny Djinny amin'izy ireo, ny voalohany sy ny farany amin'izy ireo, nangataka tamin'Allah ka nanome izay nangatahiny ny tsirairy. Tsy nampihena ny harenan'Allah na dia kely aza, toy ny fanjaitra ampidirina ao anaty ranomasina dia avoaka avy eo, ka tsy hampihena ranomasina izany, ary izany dia noho ny fahafenoan’ny hareny, Voninahitra manokana anie ho Azy. Ary Allah dia mitahiry ireo asan'ny mpanompony ary manisa izany ho azy ireo, dia hamaly izany amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty. Koa izay mahazo valisoa tsara amin'ny asany dia aoka hisaotra an'Allah noho ny fahombiazana sy ny fankatoavana Azy, ary izay mahazo valin-kasa ratsy, dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany izay nitarika Azy ho amin'ny fatiantoka.

فوائد الحديث

Io Hadith io dia notaterin'ny Mpaminany (S.W.A) tamin'ny Tompony, ka antsoina hoe : Hadith AL-KODOSì (masina) na koa fanambarana avy amin'Allah, Satria avy amin'Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy manana lanja sy toerana mitovy amin'ny Boky masina Koroany izay manavaka azy amin'ny zavatra hafa rehetra, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'ny famakiana azy, ny fanadiovana, ny fanamby, ny fahagagana, sy ny sisa.

Tsy misy fahalalana na fitarihana azon’ny mpanompo, af-tsy amin’ny alàlan’ny fahitsina sy fampianarana avy amin’Allah izany.

Izay zava-tsoa azon’ny mpanompo dia avy amin’ny fahasoavan’Allah ilay avao Tsitoha, ary izay ratsy rehetra mahazo azy dia avy amin’ny tenany sy ny faniriany ihany izany.

Izay manao ny tsara dia avy amin’ny fitahian’Allah, ary ny valim-pitia azony dia fahasoavana avy amin’Allah, ka azy ny dera, ary izay manao ratsy kosa dia tsy misy tsiny afa-tsy ny tenany ihany.