إعدادات العرض
Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe
Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe : "Voninahitra ho Anao ry Tomponay, ary ho Anao anie ny fisaoarana Allah ô, mamelà ahy.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Русский Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska Македонски ไทย తెలుగు Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Ny Renin'ny mpino Aisha (R.A) dia mitantara fa rehefa nidina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny sorat : "Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana", dia nandinika ny KORAN izy ary nanafaingana ny fankatoavana ny didin’I Allah Tsitoha tamin’ny fitenenany hoe : “Koa mankalazà ny fiderana ny Tomponao ary mitadiava famelan-keloka avy Aminy”, dia matetika izy no miteny izany rehefa miondrika sy miankohoka mandritra ny vavaka hoe : “Voninahitra ho Anao” sy hanadio Anao amin'ny lesoka rehetra izay tsy mendrika Anao, "Allah ianao no Tomponay ary fiderana ho Anao" miaraka amin'ny fiderana izay deraina noho ny fahatanterahanao, ny toetranao ary ny asanao, "Allah ô, mamelà ahy" ary esory amiko ny fahotako sy ny fahadisoako ary avelao izany.فوائد الحديث
Amporisihina ny manao io fitalahoana io matetika rehefa miondrika sy miankohoka.
Ny fangatahana famelan-keloka amin’ny fiafaran’ny androm-piainana, fanairana fa tokony hifarana ihany koa ny fanompoam-pivavahana - indrindra ny vavaka - miaraka amin’ny famelan-keloka, mba hanonerana ny lesoka nitranga tamin’izy ireny.
Ny fomba tsara indrindra hitalahoana amin’I Allah mba hanaiky ny fitalahoana dia ny filazana ny fiderana Azy, ny fanomezam-boninahitra Azy, ary ny fanadiovana Azy amin’ny kilema sy ny fahadisoana.
Ny hatsaran'ny fikatsahana famelan-keloka, ary ny fangatahana izany amin'ny toe-piainana rehetra misy anao.
Ny fahafenoan'ny fanompoan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fanarahany ny didin'I Allah.
التصنيفات
Ireo tonombavaka amin'ny Swalat