إعدادات العرض
“Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako
“Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako, ary atsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny fivelomako, ary atsarao ho ahy ny ankoatra misy ny fieverenako, ary ataovy ny fivelomana ho feno hatsarana rehera, ary ny fahafatesana no fialan-tsasatra amin'ny ratsy rehetra".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Nederlands অসমীয়া Tiếng Việt Kiswahili ગુજરાતી پښتو Română മലയാളം Deutsch नेपाली Кыргызча ქართული Moore Magyar తెలుగు Svenska ಕನ್ನಡ አማርኛ Українська Македонски Kinyarwanda Oromoo ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری Wolofالشرح
i Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan izay nanangonany ny loharanon'ny fitondran-tena tsara izay nanirahana azy mba hameno izany. Izy ireo dia ny fahatsaran'ny finoana, sy ny eto an-tany, ary ny any ankoatra, dia nofeheziny tao anatin'io fanambarana fohy io, dia nahazo ny fahatsarana anakitelo. Ary nanomboka tamin'ny fahatsaran'ny finoana satria amin'io no hahazoana ny hatsaran'ny tontolo roa, ka niteny izy hoe : (Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako) mba omenao fanamaivanana amin'ny fampandehanana amin’ny fomba feno fahalalam-pomba. (izay fiarovana ny raharahako) ary mpiaro ny raharahako rehetra, raha simba ny finoako dia simba ny raharahako rehetra, ary diso fanantenana aho sy maty antoka, Satria tsy tanteraka ny fahatsarana izay irina amin’ny finoana raha tsy amin’ny alàlan’ny eto an-tany ka hoy izy : (Ary atsarao ho ahy ny tontoloko) amin’ny fanomezana ahy fahasalaman'ny vatana, fandriam_pahalemana, anjaram-pivelomana, vady hendry, taranaka tsara, ary izay rehetra ilaiko, dia ho ara-dalàna izany ary hanampy ahy hankato Anao, Avy eo izy dia nilaza ny fialan-tsiny tamin'ny fanontaniany momba ny fanatsarana tamin'ny filazana hoe : (izay misy ny fivelomako), ny toerana misy ahy sy ny fotoana iainako. (Ary atsarao ny fiainako any ankoatra izay misy ny fiverenako) Ary hiverina hihaona Aminao aho, amin’ny asa soa, sy fanomezan’I Allah fahombiazana ny mpanompo amin’ny fanompoana sy ny fahadiovam-po, ary ny fiafarana tsara. Nametraka ny fiainany ankoatra i Mpaminany (S.A.W) aorian'ny fiainana eto an-tany; satria ny voalohany dia fitaovana entina manitsy ny faharoa. Ka izay nahitsy amin'ny fiainany eto an-tany dia ho maivana ny hahazo ny tian'I Allah, ary mahitsy ihany koa ny any an-koatra ary ho sambatra. (Ary ataovy ny fiainana) sy ny fahalavam-piainana (fampitomboana ho ahy amin'ny zava-tsoa rehetra) izay hahamaro ny asa soa, (ary ataovy ny fahafatesana) sy ny fanafainganana azy (fialan-tsasatra ho ahy amin'ny ratsy rehetra) ny fakam-panahy, ny fitsapana, ary ny fahotana ary ny tsy fitandremana, ary ny fanafahana amin’ny fahasahiranana sy ny fahorian’izao tontolo izao, ary ny fahazoana fampiononana.فوائد الحديث
Ny finoana no zava-dehibe indrindra; Izany no nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) Doan ho azy.
Ny finoana dia fiarovana ho an'ny olona iray ary miaro azy amin'ny ratsy rehetra.
Ny Doan ho an'ny raharahan'izao tontolo izao dia noho ny fanatsarana ny fiainana eto an-tany sy ny fiainana any ankoatra.
Tsy maninona ny maniry ny ho faty noho ny tahotra amin'ny fitsapana eo amin’ny finoana, na ny mangataka amin’Allah mba ho faty ho maritiora.