Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra

Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".

[Mari-pototra] [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad]

الشرح

Tsy nandao ireto Doan ireto i Mpaminany rehefa tratry ny hariva sy ny maraina : (Allah ô, mangataka Aminao aho, ny fahasalamana), sy ny fiarovana amin’ny aretina, ny fahoriana, ny fahasahiranana eo an-tany, ary ny faniriana ara-pinoana sy ny fakam-panahy (eto an-tany sy ny any ankoatra), na ankehitriny na ho avy. (Allah ô, mangataka famelan-keloka Aminao aho) sy ny famafana ny ota sy ny famelana azy, (ary ny fahasalamana) ary ny fiarovana amin’ny kilema, (amin’ny finoako) amin’ny fanompoan-tsampy, ny forona ary ny tsy fahotana, (ary ny fiainako eto an-tany) toy ny fahorina, loza sy faharatsiana, (sy ny fianakaviako) ny vadiko, ny zanako sy ny havako, (sy ny harenako), ny volako ary ny asako. (Allah ô, sarony ny henatro) sy ny kilemako, ny fahadisoako, ary ny tsy fahafahako, ary diovy ny fahotako, (ary arovy ny famirapirako), ny tebiteby sy ny tahotro. (Allah ô, arovy aho) ary arovy amin’ny loza sy ny fahoriana aho, (eo anoloako, ato aoriako, avy eo ankavanako, ankavia, ary avy any ambony) nangataka izy mba hiarovan'I Allah azy amin’ny lafiny rehetra; Satria ny loza sy ny faharatsiana dia mihatra amin'ny olona iray avy amin'ny iray amin'ireo làlana ireo. (Ary mitady fiarovana amin'ny fahalehibiazanao mba ho vonoina) ka ho voasambotra tampoka, ary tsy ho ringana amin'ny tsy ampoizina (avy ambaniko) ka maty amin'ny faharendrehana.

فوائد الحديث

Fifikirana amin'ireo teny ireo, maka tahaka ny irak'Allah (S.A.W).

Toy ny nasaina mangataka amin’I Allah izay hahasoa ny finoany ny olona iray, dia asaina mangataka izany koa izy eto amin’ity tontolo eto an-tany ity.

Hoy i Al-Tibi : Mandrakotra ny làlana enina izy io. Satria ny loza dia avy amin'izy ireo, ary nanitatra teo amin'ny ilany ambany izy noho ny tsy ho azon'ny loza amin'izany.

Tsara ny famakina tonombavaka amin'ny maraina : manomboka amin'ny maraina ka hatramin'ny fiposahan'ny masoandro amin'ny fiandohan'ny andro, ary aorian'ny vavaka Asri ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro, ary raha namaky izany izy aorian’ny mitataovovonana, dia ampy izany sy hahazo valisoa, ary raha namaky izany izy aorian’ny filentehan’ny masoandro dia ampy izany ary hahazo valisoa, fa ireo no fotoana famakina ny tonombavaka.

Ireo porofo milaza fa ny famakina ny tonombavaka manana fotoana manokana amin'ny alina, toy ny famakiana ny andininy roa farany ao amin'ny Sorate Al-Bakarah, satria izany dia mitranga amin'ny alina aorian'ny filentehan'ny masoandro.

التصنيفات

Ireo Douan voaporofo fa nataon'ny mpaminany