Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”

Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”

Tatitra azo avy tamin'i Bahz ibn Hakim, tamin'ny rainy, tamin'ny raibeny, niteny manao hoe : Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”

[Tsara] [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad]

الشرح

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona mendrika hajaina indrindra sy hanaovana asa soa ary iarahana amin'ny hatsarana sy fahaiza-miaina sns : iny, dia ny Reny, ary nanantitrantitra ny zon’ny reniny tamin’ny hafa izy tamin’ny famerimberenana izany intelo. Mba hanehoana ny maha-ambony azy amin'ny olon-kafa rehetra tsy an-kanavaka. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) nanazava hoe iza no olona tokony hajaina manaraka : Avy eo ny ray, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra amin'ny havany, ary ny akaiky kokoa azy no mifandray akaiky kokoa noho ny lavitra indrindra.

فوائد الحديث

Ny hadith dia manome laharam-pahamehana ny reny, avy eo ny rainy, avy eo ny havana akaiky indrindra sy ny akaiky, araka ny ambaratongan’ny fifandraisan’izy ireo.

Fanambarana ny voninahitry ny ray aman-dreny ary indrindra ny reny.

Naveriny in-telo tao tao amin'ny Hadith ny hoe : “Aoka ho tsara fanahy amin’ny reny ianao”. Izany dia noho ny halehiben'ny fankasitrahany ny zanany, ary noho ny fahasahiranana sy ny havizanana ary ny fahasarotana maro izay iaretany mandritra ny fitondrana vohoka, avy eo ny fiterahana, ary eo amin'ny fampinonoana, izay miavaka amin'ny reny, ary avy eo dia mizara amin'ny rainy izy amin’ny fitaizana.

التصنيفات

Vokatsoan'ny fanajana ray aman-dreny