إعدادات العرض
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”.
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو हिन्दी 中文 Kurdî Português Nederlands অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Kiswahili پښتو සිංහල Hausa Tagalog മലയാളം नेपाली Magyar ქართული తెలుగు Македонски Svenska Moore Română ไทย Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ বাংলা Wolof ភាសាខ្មែរ ಕನ್ನಡالشرح
Nandidy ny jiady hanoherana ny tsy mpino ny Mpaminany (S.A.W) ary niezaha ny hiatrika azy ireo amin'ny fomba rehetra mba hahatonga ny tenin'I Allah ho ambony indrindra, ao anatin'izany : Voalohany : Fandaniana ny vola aman-karena mba hanoherana azy ireo, avy amin'ny fividianana fitaovam-piadiana sy fanampiana ireo mpano jiady sy ny toy izany. Faharoa : Mivoaka miaraka amin'ny vatana sy fanahy, hihaona sy hanosika azy ireo. Fahatelo : Amin’ny fiantsoana azy ireo amin’io finoana io amin’ny teny am-bava, fametrahana porofo hanoherana azy ireo, fananarana azy ireo ary famaliana azy ireo.فوائد الحديث
Famporisihana ny jiady hanoherana ny mpanompo sampy amin'ny fanahy sy ny vola ary ny lelany; samy araka ny fahaizany, ary izany jiady izany dia tsy voafetra amin'ny ady mivantana.
Ny baiko hanao jiady dia voadidy, ary mety ho adidy manokana, na mety ho adidy ampy.
Nametrahan'I Allah lalàna ny jiady noho ny antony : Voalohany : fanoherana ny fanompoan-tsampy sy ny mpanompo sampy; satria tsy eken’I Allah velively ny fanompoan-tsampy. Faharoa : manala ireo sakana izay manakana ny olona ho any amin’I Allah. Fahatelo : miaro ny finoana amin’izay rehetra manohitra azy. Fahefatra : Fiarovana ny mpino Silamo, ny tanindrazany, ny voninahiny ary ny harenany.
التصنيفات
Ireo lalàna mamehy ny ady masina