Niteny Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : mandritra ny Efapolo Andro sy alina

Niteny Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : mandritra ny Efapolo Andro sy alina

Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoud (R.D) : Niteny Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : mandritra ny Efapolo Andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy Aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Niteny i Ibn Massoud (R.D) fa hoe : Niresaka Taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) ary Izy tokoa no ilay marina mahafatoky amin'ny Teny rehetra izay nolazainy, ary tena azo itokisana Satria i Tompo Allah ilay avo Tsitoha efa nahatoky Azy. Hoy Izy (S.W.A) hoe : Marina tokoa fa ny iray Aminareo dia atambatra sy avory ny fomba izay nohariana Azy, ary izany dia Satria raha misy lehilahy manao firaisana ara-nofo amin'ny vadiny, dia angonina ao an-kibon'ilay vehivavy mandritra ny Efapolo Andro ny tsirinainy ary mijano ho tsirinaina ihany izany. Avy eo lasa vaingan-drà izay mafy sy mahery, izany dia ao anaty Efapolo Andro faha-roa, Avy eo lasa nofonkena izay mitovy amin'ny halebean'ny vongan-kena mety ho tsakona, ary izany dia amin'ny Efapolo faha-telo, Ary i Tompo Allah naniraka ny Anjely hankeo Aminy, ary Izy nitsoka fanahy tao anatiny, rehefa tapitra ny efa-polo andro faha-telo. Nasaina nanoratra teny Efatra ny Anjely : Ny anjarampivelomany, dia ny habetsahan’ny fahasoavana ho azony mandritra ny androm-piainany. Sy ny fe-potoanany, izany dia fe-potoana izay hiainany eto an-tany, Ary ny asany, inona izany ? ho sahirana na koa ho sambatra. Avy eo dia nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa misy Olona mety miasa sy manao ny Asan'ireo vahoaka mponinan'ny Paradisa ary izany asa ataony izany dia Asa marina, izany hoe : amin'ny arakan'ny zavatra sy fomba ahitan'ny Olona Azy, ​​ary hitoetra ho toy izany Izy mandra-pahatongavan'ny fotoana manelanelana Azy sy ny Paradisa toy ny sandry iray, izany hoe : ny sisa tavela teo anelanelany sy ny Paradisa dia ny halavan’ny sandry teo Aminy ka nahatratra Azy ny lahatra izay efa vosoratra ao amin'ny Bokiny dia lasa manatanteraka ireo Asa ratsy amin'ny Asan'ireo vahoakan'ny mponin'ny Afobe ka hofaranana any amin'ny izany Izy dia ahiditra ao amin'ny Afobe; Satria ny fepetra handraisana ny Asa soa dia ny fijanonana Aminy fa tsy mivadika, ary sasany kosa dia manao ny Asan'ireo Olon'ny Afobe ka rehefa manakaiky ny hiditra ao Aminy, ny manelanelana Azy sy ny Afobe dia tahaka ny manelanelan'ny ratsan-tanana sy ny kiho, dia handresy azy ny Bokiny sy izay nalahatra ho Azy dia manao Asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy ka dia ahiditra any amin'ny Paradisa.

فوائد الحديث

Fihafaran'ny raharaha dia miankina amin'ny lahatra izay nandaharany Tompo Allah Azy sy nandaminana Azy.

Fampitandremana fatratra mba tsy ho voafitaka eo amin'ny sarisarin'asa. Satria ny Asa dia mifototra amin'ny fiafaran'izy ireo ihany.