“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”

“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”

Tatitra azo avy amin'i Boraida (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fifanekena sy fifamatorana eo amin'ireo mpino silamo sy ny hafa ankoatra azy ireo avy amin'ireo tsy mpino sy mpihatsaravelatsihy dia ny soalat, ka izay mamela izany dia efa tsy mpino.

فوائد الحديث

Maha Zava-dehibe ny soalat, ary io no maha samihafa ny mpino sy ny tsy mpino.

Ny lalànan'ny islamo dia azo ampiharina amin'ny olona iray vokatry ny toetoetrany ety ivelany fa tsy ny any anatiny.

التصنيفات

Ireo zavatra manafoana ny finoana Islam, Ny tsy finoana, Ny mahavoadidy ny Swalat sy ny didim-pitsarana amin’izay manambela azy