إعدادات العرض
Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra
Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra
Niteny Abo Ya'laa, Shaddaadi ibn Aosy (R.A), fa ilay Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia nilaza nanao hoe : Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra; ka raha mamono (biby tsy fihinana sns) Ianareo, dia ataovinareo tsara famono, ary raha manapa-tenda (biby fihinana) ianareo, dia ataovinareo tsara fanapaka; ka aoka ny tsirairay Aminareo mba handranitra tsara ny lelan'antsiny, ary hampiadana ny biby izay tapahiny.
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch پښتو অসমীয়া Shqip Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Lietuvių دری Српски тоҷикӣ Kinyarwanda Română Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ Bambara ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayuالشرح
Ny Mpaminany (S.A.W), dia milaza amintsika fa Allah ilay avo Tsitoha dia nandidy antsika hanao soa amin'ny zavatra rehetra, ary ny fanaovana soa : dia ny fitandremana an'Allah mandrakariva, amin'ny fanompoana azy sy amin'ny fiezahana manao soa ary ny fitsaharana amin'ny fanaovan-dratsy manoloana ireo zavaboary, ary tafiditra ao anatin'izany fanaovan-tsoa izany ny famonoana sy fanapahana. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'olona ho vonoina. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.فوائد الحديث
Ny famindram-pon’Allah ilay avo Tsitoha sy ny hatsaram-panahiny amin’ny zavaboary rehetra izay nohariany.
Ny fanaovan-soa amin'ny famonoana sy ny fanapahana dia tokony hatao amin'ny fomba ara-dalàna.
Ny fahafenoan'ny Lalàna Islamika sy ny fandrakofany ny Zavatra tsara rehetra, ao anatin'izany ny famindram-po sy ny fangorahana amin'ny biby.
Voarara ny manao Ohatra ny olona iray aorian'ny famonoana azy.
Fandrarana izay rehetra miendrika fampijaliana ireo Biby.
