إعدادات العرض
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Español Hausa Kurdî Português සිංහල Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ไทย Македонски తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ বাংলাالشرح
Nangataka Doan i Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fahamoram-panahy sy ny fifaliana ary ny fahatsarana eto an-tany, ary mba ho tarihin'I Allah ho amin'ny fahasoavana sy ny fahasambarana ary ny hatsaran'ny Paradisa any ankoatra; ho an'ny olona izay nandre ny teniny ka nitadidy izany mandra-pampitantarany azy tamin'ny hafa, satria mety ilay nampitaina ny hadith no ho tonga saina kokoa, mahay kokoa ary mahay manatsoaka hevitra kokoa noho ny mpampita ny hadith, ka ny voalohany dia mahay mitadidy sy mampita ny Hadith, fa ny faharoa kosa dia hahatakatra sy hahay maka lesoa kokoa.فوائد الحديث
Famporisihana amin'ny fitadidiana ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fampitana izany amin'ny olona.
Manazava ny fahasoavan'ny olon'ny hadith, sy ny voninahitra amin'ny fikatsahana izany.
Fahasoavan'ny manam-pahaizana, izy ireo dia olona mahay maka lesona sy mahatakatra lavitra.
Ny voninahitr'ireo mpanaradia (R.A), dia izy ireo no nandre ny hadith-n’ny irak’Allah, ka nampita izany tamintsika.
Hoy i Al-Manawi : Nambarany mazava tsara fa tsy fepetran'ny mpitantara ny mahay hadith, fa ny fitadidiana no fepetrany, fa ho an'ny manam_pahaizana kosa ny misaintsaina sy fandinihana.
Hoy I Ibn Oyaynah : Tsy misy olona mitady hadith afa-tsy ny famirapiratan'io hadith io eo amin'ny tarehiny.
Araka ny voalazan'ireo manam-pahaizan'ny hadith dia misy karazany roa ny fitadidiana : fitadidiana ny fo sy ny tratra ary ny fitadidiana boky sy andalana, ary samy tafiditra ao anatin'ny fitalahoana ao amin'ny hadith.
Tsy mitovy ny fahalalan'ny olona, mety misy olona mahay kokoa noho ny mpihaino, ary mety misy olona mitondra fahatakarana izay tsy mpahay lalàna.