إعدادات العرض
“Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony
“Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony
Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony" Izany dia ilay tenin'Allah manao hoe : {Ary antsoina ianareo ary hampidirina ao amin'ny Paradisa ianareo valin'izay nataonareo } [Al-A’raf: 43].
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Nederlands অসমীয়া Kiswahili ગુજરાતી پښتو Română മലയാളം Deutsch ქართული नेपाली Magyar Moore తెలుగు Svenska Кыргызча ಕನ್ನಡ Українська Kinyarwanda Oromoo Македонски ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpiantso hiantso ny olon'ny Paradisa raha mbola ao anatin'ny mankafy fahafinaretana izy ireo : "Ianareo dia ho salama ka tsy harary na oviana na oviana ao amin'ny Paradisa, na dia aretina kely aza. Ary ho velona ianareo ka tsy ho faty intsony ao, na dia torimaso aza, izay fahafatesana kely, ary ho tanora lalandava ianareo ka tsy mihantitra mihitsy, ary hiaina ao anatin'ny fahafinaretana ka tsy halahelo mandrakizay. Izany no lazain’ny tompo Allah ilay Tsitoha : {Ary antsoina ianareo ary hampidirina ao amin'ny Paradisa ianareo valin'izay nataonareo} [Al-A’raf: 43].فوائد الحديث
Ny fahasahiranana lehibe indrindra amin’ny fahasambarana eto an-tany na dia niaina tao anatin'ny fahasambarana tahaky ny ahoana aza ny olona iray dia ireto efatra ireto : ny aretina, ny fahafatesana, ny fahanterana, ny fahoriana sy ny alahelo noho ny tahotra ny fahavalo, ny fahantrana, ny ady, sy ny zavatra hafa. Ary vahoakan'ny Paradisa dia voaro amin'izy ireo, ka ny olon'ny Paradisa dia hahazo ny fahasambarana feno indrindra.
Tsy mitovy amin’ny fahasambaran’ity tontolo ity ny fahasambaran’ny Paradisa. Satria tsy misy tahotra ny fahasambaran’ny Paradisa, fa ny fahasambaran’izao tontolo izao kosa dia tsy maharitra ary iharan’ny fanaintainana sy ny aretina.
Famporisihana hanao asa soa izay hitondra any amin’ny fahasambaran’ny Paradisa.
التصنيفات
Endriky ny Paradisa sy ny Afobe