إعدادات العرض
“Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony
“Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony
Tatitra azo avy amin'i Abo Houraira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony toy ny trafon-drameva, tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo ary tsy haheno ny fofony, ary ny fofony dia heno amin'ny fandehanana tahaka izao sy izao.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Tiếng Việt Kiswahili پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or Čeština नेपाली Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు ไทย Српски മലയാളം Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Lietuvių Wolof Magyar ქართული Moore Українськаالشرح
Ny Mpaminany (S.A.W) dia mampitandrina amin'ny karazana olona roa amin'ireo vahoakanyizy roa ireo izay tsy nihitan'ny Mpaminany ary tsy niaina tamin'ny vanim-potoany, fa olona ho tonga aty aoriany : Ny sokajy voalohany : Olona manana karavasy lava toy ny rambon'omby, izay ikapohana olona, izy ireo dia polisy sy iraky ny herim-pamoretana midaroka olona tsy ara-drariny. Ny sokajy faharoa : vehivavy izay nanala ny fitafian’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahamaotinana izay mahazatra ny vehivavy. Toy izao ny momba azy ireo : miboridana amin'ny endrika mivantana, mitanjaka ara-kevitra; Satria manao akanjo manify izay maneho ny vatana any anatiny, izy ireo manarona ny ampahany amin’ny vatany ary mampiseho ny ampahany hafa, ho fanehoana ny hatsarana, Mampitodika ny fon’ny lehilahy mankany any aminy noho ny fitafian’izy ireo sy ny fidoladolany eny am-pandehanana, mampieboebo ny soriny, ary mampirona ny hafa amin’ny fiviliana sy izay mandavo azy ireo amin’izany. Anisan'ny toetran'izy ireo: ny lohany dia toy ny trafon-drameva izay midoladola, ka ampitomboiny ny haben'ny lohany ary manitatra azy amin'ny famonosana fehiloha sy ny toy izany. Ny fampitoviana azy amin’ny trafon'ny rameva satria ny volony sy ny randranany dia miakatra eo ambonin’ny lohany, ary sarasarahany ny randrany amin’izay ny volony mikipaka amin'ny ilany sy amin'ny ilany , toy ny trafon'ny rameva midoladola amin'ny ilany sy ny ilany. Koa izay manana ireo toetra ireo, dia tafiditra amin'izao fampitandremana mafy izao fa tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo, na haheno ny fofony, na tsy hanatona azy, nefa ny hanitry ny Paradisa dia heno avy lavitra.فوائد الحديث
Fandrarana ny fikapohana olona sy manao ratsy azy nefa tsy nisy fahotana vitany.
Voarara ny manampy ny mpampahory amin'ny fampahoriana ataony.
Fampitandrena ny vehivavy amin'ny fiboridanana sy ny fitafina mampiharihary ny vatany, ary ny fanaovana akanjo tery na manify izay mampiseho ny henatra sy ny vatana.
Famporisihana ny vehivavy mpino silamo mba hifikitra amin’ny didin’Allah sy hanalavitra izay mahatezitra Azy, satria izany hahatonga an-dravehivavy ho mendrika ny famaizana maharary izay hitranga any ankoatra.
Ny hadith dia isan'ny porofon’ny faminanin'i (S.A.W), araka ny nambarany ireo zava-miafina mbola tsy niseho, ary niseho tahaka ny nolazany azy.
التصنيفات
Endriky ny Paradisa sy ny Afobe