“Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”

“Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”

Tatitra azo avy tamin'i Amr bin Salim Al-Ansari niteny hoe : Mijoro ho vavolombelona amin'i Abo Saì'd aho fa niteny izy : Mijoro ho vavolombelona aho fa niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fandroana amin'ny andro zoma dia tsy maintsy ho an'ny lehilahy mpino silamo ampy taona rehetra izay voadidy hanatrika ny Soalat zoma. Ary hanadio ny nifiny amin'ny siwàk sy ny toy izany. Ary manao manimanitra amin'izay fofona manitra tsara

فوائد الحديث

Nohamafisina fa tsara ho an’ny lehilahy mpino silamo ampy taona rehetra ny mandro amin'ny andro zoma.

Ny fahadiovana sy ny fanesorana ny fofona maimbo dia takian'ny lalàna silamo ho amin'ny mpino silamo.

Fanomezam-boninahitra ny andro Zoma, ary fiomanana amin’izany.

Hamafisina fa tsara ny mampiasa siwàk amin'ny Zoma.

Tsara ny manao manimanitra amin'ireo Karazany zava-manitra rehetra alohan'ny handehanana hivavaka zoma.

Raha misy vehivavy mivoaka ny tranony mba hivavaka na hanao zavatra hafa, dia tsy mahazo manao ranomanitra Satria ny Sonnah dia milaza fa voarara izany.

Ny lehibe dia izay ampy taona, ary ny fahampina taona dia miseho amin'ny alàlan'ny famantarana, ka ny telo amin'izy ireo dia iraisan'ny lehilahy sy ny vehivavy, dia ny voalohany : fahafenoan'ny taona faha dimy ambin'ny folo, ny faharoa : raha misy volo manjavozavo maniry manodidina ny taovam-pananahana, ary ny fahatelo : ny tsirinaina mivoaka amin'ny alalan'ny nofy na amin'ny alalan'ny faniriana, na dia tsy misy nofy aza. Ny famantarana faha efatra kosa dia natokana ho an'ny vehivavy, ary izany dia ny fadimbolana : Raha misy vehivavy tonga fotoana dia efa lasa ampy taona izy.