“Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena

“Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena

Tatitra azo avy tamin'i Haritha bin Wahb Al-Khoza'i (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) ny sasany amin'ireo toetran'ny mponin'ny Paradisa sy ny mponin'ny afobe. Ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Paradisa dia : “ny olona malemy fanahy sy manetry tena”, izany hoe : manetry tena sy manaiky an’I Allah ilay Tsitoha, manetry tena eo anatrehany, hany ka misy ampahan'ny olona manao tsy rariny aminy sy manao tsinontsinona azy, ary io mpanetry tena io raha nianiana tamin’I Allah noho ny fanantenana ny fahalalahan-tanan’I Allah ilay Tsitoha, dia ho tsara fanahy aminy Allah ary hanatanteraka izay nianianany taminy. Ny ankabeazan'ny mponin'ny helo dia : ny olona izay "be vava", izany hoe tsy mahalala fomba, masiaka, ary tena tia ady, na ny olona vetaveta tsy milefitra amin'ny tsara, "jawaz", izay miavonavona, manana vatana lehibe, manambony tena amin’ny famindrany, ary ratsy toetra, “manambony tena” amin’ny fandavany ny fahamarinana sy ny fanamavoana ny hafa.

فوائد الحديث

Mamporisika ny olona hanana ny toetran'ny olon'ny Paradisa, ary ny fampitandremana amin'ny toetran'ny olon'ny Helo.

Ny fanetren-tena dia ho an'I Allah Ilay Tsitoha, ny didiny sy ny fandrarany ary ny fanekena azy ireo, ary eo amin'ny zavaboary kosa dia tsy mihebohebo amin'izy ireo.

Hoy i Ibn Hajar : Ny tiana ho lazaina dia ny ankamaroan'ny mponin'ny Paradisa dia ireto, tahaka ny ankabeazan'ny mponin'ny Afobe koa ny vondrona hafa, ary ny tiana ho lazaina dia tsy fisoronana amin'ny lafiny roa.

التصنيفات

Ny fiainana any an-koatra